Tafiditra ao anatin’ny fanangonam-baovao sy fijerena ny zava-misy eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara amin’izao fotoana ny vondrona Afrikanina.
Izany no atao dia mba ho fanomanana ny fifidianana mangarahara sy lavitry ny savorovoro amin’ny herintaona. Teboka iray lehibe hamaranana tanteraka ny famahana ny krizy eto Madagasikara ny fifidianana amin’ny 2018, hoy Atoa Ramtane Lamamra, iraka manokan’ny vondrona Afrikanina raha tonga nitsidika sy nidinika tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teny amin’ny fonenany eny Faravohitra izy omaly, niaraka tamin-dRamatoa Hawa Ahmed Youssouf solontena maharitry ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara. Naharitra ora roa ny fihaonana. Efa ela no nahafantarako an’i Marc Ravalomanana, hoy i Ramtane Lamamra…olon’ny traikefa izy ary manana valin-teny matotra rehefa fanontaniana matotra no napetrakao taminy. Mahaliana ahy hatrany ny fifanakalozan-kevitra miaraka aminy ary tena hahazoako zava-baovao, hoy hatrany ity diplaomaty ity. Nilaza kosa i Marc Ravalomanana fa tena nahafaly azy ny fihaonana satria nahafahana nifanakalo hevitra sy nifanazava tsara ny amin’ny zava-misy.Tsy hisy intsony izany resaka « ni…ni » izany amin’ny 2018, hoy izy fa avela milatsaka avokoa ny rehetra ka aleo ny vahoaka no hifidy malalaka izay olona heverina fa mendrika hitarika azy amin’ny fampandrosoana ny firenena. Zava-dehibe loatra io hatrehantsika amin’ny 2018 io ka tokony hotandremana tsara fa raha misy ny misolifatra tampoka any amin’ny tsy izy dia ho raharaha ny hitranga eto, hoy i Marc Ravalomanana.Antoky ny filaminan’ny fifidianana, ho azy ny famelana malalaka ireo rehetra vonona ho kandida handray anjara ; tokony hahay mifampihaino ihany koa fa tsy manao valy boraingina fotsiny amin’ny soso-kevitra atolotra. Toa misy mantsy ny volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana milatsaka tampoka avy any amin’ny governemanta , tamin’ny talata hariva teo tao amin’ny filan-kevitry ny minisitra. Tokony hahay mihaino tsara ny mpitondra sy ny mpikarakara ny fifidianana raha ny heviny fa tsy maika na be kajy. Tsy vao izao ihany fa efa hatramin’ny niverenany indray an-tanindrazana tamin’ny 2014 no tsy mitsahatra maka ny hevitr’i Marc Ravalomanana ireo firenena matanjaka tahaka an’i Etazonia, Frantsa, Alemaina, Afrika atsimo sy ireo fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa toy ny firenena mikambana, ny vondrona eoropeanina, ny vondrona afrikanina, ny Sadc, ny COI sy ny maro hafa. Fihetsika izay midika fa olobe tsy azo ihodivirana eto Madagasikara i Marc Ravalomanana ary tena atokisan’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, tahaka ny fahatokisan’ny Malagasy azy ihany koa satria izy no hita fa mahafeno ny fepetra amin’ny fanarenana ny firenena eo amin’ny sehatra rehetra.Tsy resaka an-taratasy fotsiny fa niarahan’ny rehetra nahita ny zava-bitany tao anatin’ny 7 taona nitantanany an’i Madagasikara , izay tena sarotra adinoina sy kosehina ao am-pon’ny Malagasy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.