Politique

Fifidianana 2018 Maro sahady no miahiahy hala-bato


  • Zoma 22 Desambra 2017

Miteraka ahiahy ho an’ny mpanara-baovao ny tsy nahavitan’ny Antenimiera roa tonta nandinika ny lalàm-pifidianana nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa farany teo, ary azo antoka fa hisy indray ny fivoriana tsy ara-potoana handinihina izany.


 Etsy an-daniny, manahy ny tetika maizin’ny fanjakana ny amin’ny tsy hampidirana ny hevitry ny hafa nivoaka tamin’ireo fakan-kevitra samihafa efa natao ny maro fa tetika hikotrehana hala-bato goavana indray izany. Mety anisan’io paipaika hangalaram-bato io ny fihazakazahana manao fitsarana mitety vohitra manerana ny distrika eto Madagasikara mba hampakarana ny isa hatramin’ny 10% mialoha ny fifidianana ho avy io. Ankoatra ireo dia ahiahian’ny maro ny tsy hivoahan’ny datim-pifidianana hatramin’izao mba hanomezana tombondahiny ny mpitondra fanjakana manararaotra mamorona fety hisehoana hatrany. Ho an’Atoa Rakotomamonjy René avy ao Antsirabe dia hiteraka krizy vaovao ao aorian’ny fifidianana io tsy fandraisan’ny fanjakana ny hevitry ny hafa io, hanaovany tian-kano tsy tian-kano. Toa efa manaramarina ny nambaran’i Rivo Rakotovao fa tsy midika ho fampidirana ny hevitry ny olona maro samihafa ny fakan-kevitra izay atao etsy sy eroa ka hanovana ny lalàm-pifidianana efa misy. Manantena ny mpanara-baovao fa hisy fanatsarana io lalàm-pifidianana io. Raha ny nambaran’ny filoham-pirenena mantsy dia mbola hitady ny marimaritra iraisana ny fanjakana.

Caius R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT