Nihaona nandritra ny ora vitsy teny Faravohitra omaly Atoa isany Marc Ravalomanana sy Yvan Andrianasandratriniony.
Ity farany moa izay mipetraka any Etazonia ankehitriny dia anisan’ireo mpiara-miasa tena akaiky an’i Marc Ravalomanana nanomboka tany amin’ny Tiko ka hatramin’izy nitantana ny firenena. Filohan’ny antenimierandoholona i Yvan Andrianasandratriniony tamin’ny 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana, efa minisitry ny fanajariana ny tany. Efa nandalo tao amin’ny minisiteran’ny fambolena ihany koa izy ary efa nitana ny toeran’ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara. Mialoha izay dia izy no nitantana ireo haino aman-jery natsangan’i Marc Ravalomanana dia ny Radio Mada sy ny MBS. Tsy nisy nipika ny resaka nifanaovan’ny roa tonta. Ny azo antoka dia mbola mifandray amin’ireo mpiara-miasa taminy fony izy ben’ny tanàna sy ny filoham-pirenena i Marc Ravalomanana na eto an-toerana na any ivelany ireo olona ireo. Ny tsiliantsofina re raha tonga ny fotoana hiverenan’i Dada indray eo amin’ny fitantanana ny firenena dia mbola vonona ny hiara-kiasa aminy ireto mpiara-miasa aminy fahiny ireto. Tsy resaka olona fa tena firenena sy fandaharan’asam-pampandrosoana ny an’i Marc Ravalomanana sy ny antoko Tiako i Madagasikara. Na ny mpanara-dia azy na ireo fatra-panakiana dia samy mahatsapa fa mitombina ary ilain’ny firenena ny vina nananan’i Dada 15 taona lasa izay dia ny hoe : « amboary ny lalana manerana an’i Madagasikara ». Tsy olon’ny resaka ambony latabatra fotsiny i Marc Ravalomanana fa tia mifangaro amin’ny vahoaka sy ny mitety ireo faritra maro samihafa eto amin’ny nosy mba hahafantarany ny zava-misy marina. Hainy ny miresaka sy mifanerasera aman’olona ary hitam-poko hitam-pirenena fa tena mbola mahaliana ny olona hatrany izy sy ny zavatra ambarany. Tonga nijery ny zava-misy teny Analakely niaraka tamin’ny vahoakan’Antananarivo omaly Atoa Ravalomanana ary nandray anjara tamin’ireo karazana lalao sy fialamboly nisy teny sady nitafa mivantana tamin’ireo olona sendra azy koa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.