Politique

Fifidianana 2018 Kotrehina hahemotra


  • Alatsinainy 16 Oktobra 2017

Mandeha ny fihantsiana ady sy ny fanakorontanana ataon’ny fanjakana HVM. Izy ireo tokony handamina indray no manangan’ady sy maniry ny hisian’ny korontana eto Madagasikara. Hitady izay fomba rehetra hisian’ny savorovoro, ka tsy hampisy ny fifidianana 2018 ny tanjona.

Raha mandeha ara-drariny sy mangarahara ny fifidianana dia azo antoka fa tsy ho lany intsony ny kandidan’ny fanjakana am-perinasa. Te hifikitra mafy amin’ny fitondrana anefa ny HVM, ka io iaraha-mahita io ny tetikady maloto, toy ny fanovana ny lalàmpanorenana. Lany andro mamono afo manoloana ny fitakiana isan-karazany eto amin’ny firenena ny fitondrana, izay tsy tena mahita vahaolana maharitra sy maty paika, fa petatoko hatrany. Zary manangam-pahavalo hatrany fa tsy manana finiavana tena hampiseho ny fahaiza-manao. Ny mahamaika dia hanao kapa vava ranjo ara-politika amin’ny hisakanana sy hamotehana ireo olona atahorana mafy amin’ny fifidianana, ary iaraha-mahita ny zavatra atao amin’i Marc Ravalomanana. Akatona ny orinasany, ka tanjona ny tsy hahafahany manana ny hoenti-manana amin’ny fifidianana. Noho ny tanjaka ara-politika ananan’ity filoha teo aloha ity anefa, dia afaka manetsika ny vahoaka amin’ny hanoherana ny tsy ara-drariny izy, ka hosoketaina indray fa manakorontana ny filaminan’ny firenena raha manao izany. Efa ela ny fandranitana ary miakatra hatrany ny daoziny mba hisian’ny korontana sy ny savorovoro. Rehefa raikitra ny savorovo eto amin’ny firenena, dia ireny no fitaovana hoenti-manaporofo fa tsy mbola azo atao aloha ny fifidianana raha tsy milamina tsara ny firenena. Ny loza ara-boajanahary sy ny aretina ihany koa tetsy an-daniny namely, ary heverina fa hatao fitaovana aoriana kely hoe mbola lany fotoana ka tsy nisy fotoana niomanana tamin’ny fifidianana. Hanaiky mora foana ny kajy maloto hahafahan’ny fitondrana ankehitriny mifikitra amin’ny fitondrana ve ny herivelona ara-politika sy ny vahoaka ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT