Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Antoko Tiako I Madagasikara aloha izao no lasibatry ny antsojay politika sy ny jadon’ny fitondrana, saingy ho avy ihany koa ny an’ny manaraka.
Mihorohoro amin’ny fifidianana ho avy ny fanjakana ankehitriny, ka manao don-tandroka sahady ho an’izay atahorana hahatohitra sy handrava ny nofinofiny hitantana fanindroany an’i Madagasikara. Toa ny TIM sy ny HVM aloha hatreto ny eo ambony ringan’ny hazakazaka ara-politika, saingy ho avy ihany koa ny an’ny hafa. Ireo mahay misolelaka sy mila ranondranony amin’ny HVM sisa no ho afa-bela eto amin’ny firenena, fa ny ankoatra izay, indrindra fa ireo antoko na kandida sokajiana ho matanjatanjaka amin’ny fifidianana ho avy dia hahazo ny anjarany avokoa, kendrena hampizakaina higoka ny mangidy sy mafaitra eo amin’ny tontolo politika. Na eo amin’ny fitondrana aza ny HVM, dia sokajiana ho antoko malemy sy tsy manana hazon-damosina, fa tsy matanjaka araka ny filazan-dRivo Rakotovao, filoha nasionaliny azy. Ny jadona sy ny fampiasany ny herim-pamoretana no mampantanjaka azy, fa raha fahazakana vahoaka, dia na ireo antoko sokajiana ho zandriny aza mety tsy ho resin’ny antokon’ny Fitondrana. Mazava ho azy, fa sarotra ho an’ny HVM ny hiditra fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoha amin’ny 2018, raha mandeha ara-drariny sy mangaraharaha ny fifidianana. Midika izany fa tsy misy mpifanandrina hitan’ny HVM fa tsy ho resiny, ka avelany malalaka fa hosotasotaina avokoa ny rehetra. Efa hita ny tanjaka ara-politikan’i Marc Ravalomanana sy ny TIM, izay tena ankamamian’ny Malagasy sy manana herijika be indrindra hahazo ny fitondrana amin’ny 2018, ka io iaraha-mahita io ny antsojay atao aminy. Tsy afa-mikofoka ihany kosa i Andry Rajoelina sy ny MAPAR, izay efa niharan’ny ramatahora sy don-tandroka tamin’ny alalan’ny fanenjehana an-dry Augustin Andriamananoro, Elysé Ratsiraka… Efa isan’ny saika hirotsaka tamin’ny 2013, ohatra, Ny Rado Rafalimanana saingy tsy afaka, ary mety ho isan’ny haharesy ny HVM, ary efa somary nanome tsiny ny fanjakana tamin’ireny fitondrana fanampiana tamin’ireny fandalovan’ny rivo-doza ireny. Mbola maro ireo kandida hafa hanaovana antsojay, ary tsy hisy mangirana eto fa ho sesilany ny kapa ranjo raha dinihina amin’ny zava-misy ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.