Hita taratra tamin’ny fihetsika sy fanapahan-kevitry ny fitondrana HVM tato anatin’ny roa taona fa tsy ho azo antoka ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018, ary dia mety hahazo laka ny halatra be vava sy ny hosoka ka hitarika savorovoro eto indray.
Paikady maloto
Maro ireo kandida sokajiana ho « favoris » tahaka an’i Marc Ravalomanana sy andry Rajoelina no hosomparana sy ho tratry ny kapa ranjo tsotra izao, amin’ny alalan’ilay fitsarana manokana momba ny hetra henjehana atsangana maimaika ankehitriny. Efa re tetsy sy teroa ny fomba namenoana ny kianjaben’i Mahamasina tamin ny 26 jona farany teo fa dia hoe novidiam-bola ny mpanatrika, mainka izany fa fifidianana koa tsy asa fotsiny. Iaraha-mahalala fa maro ireo mpandraharaha manodidina ny filoham-pirenena izay lasa mpanefoefo tampoka tato anatin’ny roa taona sy ny resaka malety teny amin’ny antenimieram-pirenena isaky ny misy fanapahan-kevitra atao. Efa hitam-poko hitam-pirenena ireo bileta tokana tsy nisy laharana na tamin'ny fifidianana filoha (2013) na tamin ny ben’ny tanàna (2015) izay azo adika fa nisy izany ny bileta tokana navoaka mialoha. An-kilan’izay, maro ny olona no tsy afaka nifidy noho ny antony tsy fisoratana anarana. Izany dia hita maro tamin’ireo tanàn-dehibe izay heverin’ny mpandalina politika fa tsy dia mankafy loatra izao fitondrana izao sy ny tetezamita. Manampy an’io dia atao izay hanapenam-bava mafy ny mpanao gazety ahafahana manomana sahady ny amboletra hampandaniana ny kandidam-panjakana amin’ny 2018. Ny manodidina an’ingahy filoha rahateo dia efa re fa maniry mafy ny hijanona eo amin’ny fitondrana na iza na iza hanohitra sy hanakiana eo ary na inona na inona zava-mitranga.
Vahaolana
Mbola azo atao tsara anefa dieny izao ny misoroka ny korontana mety hitranga noho io bodongerona kasaina hatao io, toy ny fomba fiasa mangarahara momba ny fifidianana. Miainga amin ireo mpikambana ao amin’ny CENI izany ka hatramin’ny fitantanana ny bileta tokana izay hatonta. Tokony hampiasa mafy ireo teknolojia tahaka ny finday ihany koa isika mpiray tanindrazana ahafahana mizara haingana ny vokatra. Mila araha-maso dieny izao ny lisi-pifidianana mba ahafahana mifidy. Tokony hazava ny lalam-pifidianana fa raha misy bileta tokana mivoaka mialoha dia faizin’ny lalàna velona avy hatrany ireo mpikarakara ny fifidianana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.