Nanao fanambarana teto Antananarivo ireo solontena nalefan’ireo Raiamandreny avy any amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony, notarihin-dRakotomanga Martin omaly.
Nivoitra tamin’ny fanehoan-kevitra nataon’izy ireo ny fangatahany ny hirotsahan’i Hary Andrianarivo hofidiana filoham-pirenena. Izy moa dia depiote voafidy tany Ambositra sady filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena amin’izao fotoana. Efa avy loholona ihany koa ny tenany tany aloha. Miangavy sy mangataka an’Atoa Hary Andrianarivo ho anisan’ireo mpifaninana hofidiana filoham-pirenena, izahay, ary hamafisina fa efa nifampidinihina tamina olona maro sy ny any ifotony izao fanambarana izao ary ankasitrahan’ny rehetra, hoy hatrany izy ireo. Tsy ny avy any amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony ihany no manohana sy maniry ny hirotsahany fa Malagasy maro manerana ny nosy no mankasitraka izany, raha ny fanazavana ihany. Ny olona any amin’ny faritra niaviany aloha no tena mahafantatra sy manohana azy akaiky ary mandrisika ny hirotsahany. Tsy dia fantatra sy tsy mpisehoseho loatra toy ny mpanao politika sasany ity solombavambahoaka ity, saingy mety hanomboka halaza sy ho fantatra bebe kokoa izy ato ho ato, raha hanaiky hirotsaka hofidiana, araka ny fangatahan’ireo olona avy any amin’ny tany niaviany. Voalaza ho anisan’ny kandida tsy hampoizina izy ary tsy mena-mitaha amin’ny hafa, raha ny eo amin’ny hoenti-manana. Ankoatra ny maha solombavambahoaka azy, mpandraharaha matanjaka ny tenany. Marihina anefa fa i Tantely Andrianarivo izay fianakaviany akaiky, dia voalaza fa hirotsaka ihany koa, ka mety hifaninana izy ireo.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.