Manomboka mifoha tsikelikely sy manomana ny paikadiny ireo antoko sy mpanao politika mihevitra ny handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018.
Hiezaka ny hifanatona sy hitady izay marimaritra iraisana ny avy amin’ny « Grand Sud » na iny faritra Atsimon’i Madagasikara manontolo iny. Tsy misy ny zavatra efa tapaka, saingy re fa mikatsaka ny hanolotra kandida tokana izy ireo. Ny avy ao Fianarantsoa sy ny manodidina azy aloha no hihaona sy hiady hevitra ny volana febroary izao, raha ny loharanom-baovao. Re fa hifanatona sy hampitovy tadin-dokanga ireo sokajiana ho mpanao politika vaventy avy any an-toerana toa an-dry Tantely Andrianarivo (praiminisitra teo aloha), Jean Ravelonarivo (praimininisitra teo aloha), Randriampionona Joseph Martin na Dadafara (Kandida filoha tamin’ny 2013, minisitra teo aloha), Hiary Andrianarivo (Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena), Michel Razafindrandriatsimaniry (Solombavambahoaka teo aloha, ambasadaoro tamin’ny andron-dRavalomanana), Rakoto Jean Pierre (Kandida filoha tamin’ny 2013) … Mihevitra ny hamoaka anaran’olona iray hifaninana ho kandida izy ireo. Hisy avy eo ny fandresen-dahatra ny avy any Toliara avy eo, ka mety handeha ny fifidianana savaronanando na fomba hafa raha toa ka manana olona heverina hatolotra ihany koa ny an-daniny. Ny zava-misy ihany koa anefa, dia tsy dia rototra sy tsy te hiditra amin’izany ireo efa ao anaty fitondrana izay hiezaka mafy hampandany ny kandidan’ny HVM. Ireo no tena olana goavana ao anatin’ity tanjona iombonana ity. Somary olana ihany koa ny avy amin’ireo sokajiana ho mpanohitra sasany, izay efa miaraka amina vondron’antoko ARMADA (Alliance Républicaine de Madagascar), ahitana an-dry Camille Vitale, Hajo Andrianainarivelo, Jean Louis Robinson, izay efa niomana ny hanolotra kandida tokana. Eo ihany koa ireo heverina fa efa zatra sy efa niomana ny handeha irery, toa an-dry Monja Roindefo. Tsy hay na hahomby ity fikatsahana hanolotra kandida tokana avy amin’ny ilany atsimon’i Madagasikara iray manontolo ity na hitsefotra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.