Politique

Fifidianana 2018 - Fikambanana Za’Gasy “Mila faritana ny vola azo ampiasaina”


  • Sabotsy 25 Novambra 2017

Ny olona tokony hitondra firenena, tsy filoha ihany fa ireo te hofidiana, dia tsy maintsy manana traikefa ary tsy misy olona tokony hitantana ny firenena raha tsy efa avy nisedra fifidianana, ka nahavita an-tsakany sy an-davany ny vanim-potoana nametrahana azy tamin’ny toerana nifidianana,

  raha ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Za’Gasy, Jean Navadahy Ratiharison. Olona tsy nahitana lesoka hatrany amin’ny fanesorana azy na tsy fahombiazana tamin’ny sehatra notantaniny no ilaina, araka ny nambarany. Ohatra amin’izany ny fifidianana solombavambahoaka, dia farafaharatsiny efa nitantana fokontany iray, ary efa nahita fiainam-bahoaka. Hapetraka tsara ny lalàna hoe tsy maintsy nahavita fe-potoana ara-dalàna, ary nahavita soa aman-tsara tsy nisy fandikan-dalàna vao miakatra amina sehatra iray. Tsy hay aloha na misy olona tiana hopotehina manokana ao anatin’izany satria raha ny filoha nitantana teto izao, dia saika nisy olana ny ankamaroany ary nisy tsy nahavita fe-potoam-piasana hatramin’ny farany, toa an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fe-potoam-piasana faharoa. Ankoatra izay, tokony hofaritan’ny CENI mitovy ny vola ampiasaina isaky ny kandida hilatsaka hofidiana amin’ny fifidianana. Harotsaka ao anaty kitampom-bolan’ny CENI io vola io, ka tsy tokony hisy hahazo mampiasa vola ivelan’izany ny kandida rehetra, mba hitovian’ny herijika. Tsy maintsy manana vinam-piarahamonina mazava ihany koa ireo hilatsaka raha ny nambarany hatrany. Raha tsy tanteraka ny 75 isan-jaton’ny vina nomeny dia tokony hametra-pialana ny kandida lany eo, ary tsy ilàna fidinana an-dalambe. Tokony hipetraka ny lalàna momba izay, ka miato na miala avy hatrany ny filoha, ary miditra amin’ny fifidianana manaraka. Tokony hosoratana mazava ny programan’asa, ka raha vao miteny ivelan’izay dia voasazy tsy ho anisan’ny mpifaninana satria efa midika izay fa kobaka am-bava. Mba programan’asa no fidian’ny olona amin’izay fotoana izay.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT