Miha mazava ny resaka ankehitriny fa mety ho anisan’ireo kandida ho tohanan’i Frantsa amin’ny 2018 ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina ;telo volana aty aorian’ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nnataon’ity farany tany Paris mantsy ka nandraisan’ny filoha Emmanuel Macron azy tao amin’ny lapan’i Elysée ny 28 jona 2017
dia mivoaka ny feo fa anisan’ny zava-dehibe nifampiresahan’ny roa tonta ny fifidianana filohampirenena amin’ny 2018.Araka ny loharanom-baovao iray dia nangataka tso-drano avy amin’ny filoha Macron mba afaka hilatsaka i Hery Rajaonarimampianina.« Nangataka tso-drano » satria anisan’ireo firenen-dehibe tsy mankasitraka intsony ny hilatsahan’i Hery Rajaonarimampianina i Frantsa noho ny antony maro samihafa.Araka ny fiteny Frantsay anefa hoe « azo ifampiraharahana ny zava-drehetra » dia natao tokoa ny fifampiraharahana tamin’io 28 jona io ka mazava ho azy fa raha toa ka hanaiky na hanohana mihitsy aza ny kandidan’ny HVM i Frantsa amin’ny 2018 dia tsy maintsy misy ny takalony.Ka mety ho anisan’izany ny tsy fikitikitihana ny tombotsoa ara-toekaren’ny Frantsay eto sy ny tsy hitakiana intsony ny famerenana ny « nosy manodidina » na ny « iles éparses » amin’i Madagasikara.Resaka izay toa nangiana tokoa tato anatin’ny volana vitsy izao.Rehefa dinihana tokoa ny zavanitranga rehetra sy ny fihetsiky ny filoha Rajaonarimampianina taorian’io diany tany Frantsa io dia lasa mahatoky tena kokoa izany izy ary tsy mihetsi-bolo-maso amin’izay fanenjehana na fanakianana atao aminy.Tsy ahoany izay mpanohitra, voatapim-bava avy hatrany ny sahy miteny ; voarara tsy misy adihevitra ny fivorivoriana na endrika fidinana an-dalambe na inona na inona mety ho antony.Na manao valy boraingina na manao valiteny an’avona ireo olona tena akaikin’ny filoha sokajiana ho lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny HVM ; ary efa mandeha be ny feo fa amin’ny volana oktobra any ho any dia esorina ao anaty governemanta izay hafahafa fihetsika tsy manaraka ny toromariky ny manga kravaty.Herintaona sisa dia higadona ny fifidianana filohampirenena, ary azo antoka fa efa miomana fatratra ny hibata ny fandresena amin’io ny HVM ary Rajaonarimampianina no kandida, ny fifandaminana tamin’i Lafrantsa rahateo efa vita.Saingy politika moa no resaka eto ary zavatra tena hain’ny Malagasy io , ny vazaha rahateo fetsy sy mijery lavitra ka tsy fantatra indray izay mety mbola hitranga satria raha ny fahafantarana azy dia maro ny kandida amin’ny 2018 no tsara resaka amin’i Lafrantsa a !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.