Ny 15 aprily no hikatona tanteraka ny lisi-pifidianana. Mbola manana fotoana hahafahana manamarina sy manoratra anarana ao anatin’io lisitra io izany ny isam-batan’olona.
Mihetsiketsika sy manentana ny olony ny antoko HVM amin’izao fotoana na tsy mbola nisy aza ny fanambarana ofisialin’i Hery Rajaonarimampianina, izay ampirisihin’ny mpikambana hirotsaka. Ampiasaina ny fomba rehetra hahazoana olona maro, ary tonga hatramin’ny fanambazana ara-bola, raha ny fomba fiadiny hatramin’izay. Miezaka mafy mifehy ny rafi-panjakana rehetra, ary tena hatrany ifotony mihitsy no katsahina hotambazana na hoterena hampanaiky ny vahoaka hanohana sy hifidy ny HVM. Ny lehiben’ny fokontany indray izao no kotiana mafy, ary nahavita namory azy ireo am-pitaka mihitsy aza teny Antananarivo Atsimondrano, tapa-bolana lasa teo ho eo. Raha ny lalàna no dinihina dia eo ambany fiadidian’ny minisiteran’ny atitany ny fokontany ary io no tadiavina hatao fitaovana lehibe hampiasaina manerana ny nosy handresena ny HVM, ankoatra ireo kajikajy hafa efa fahita sy efa mipetrapetraka. Tena miomana ny HVM na amin’ny fomba madio na maloto. Na amin’ny lafiny teknika na ara-bola, ka raha ny tsilian-tsofina dia an-jatony miliara ariary ny vola hatontony amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Mba ahoana kosa ny hafa eo anatrehan’izany ? Io no maha zava-dehibe ilay lalàna mifehy ny fifidianana mba hampazava ny fitsipi-dalao rehetra fa tsy hoe samy manao izay zakany na samy manao izay tiany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.