Ora telo no naharetan’ny adihevitra teo amin’ny fihaonan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny mpanao gazety teny Iavoloha ny sabotsy 14 septambra lasa teo.
Voaresaka tao ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny sy ireo raharaha mafampana. Teo ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany. Mahay miresaka tahaka ny fanaony i Hery Rajaonarimampianina ary nampiseho ihany koa fa mahatoky ny tenany izy. Azo antoka aloha fa tsy maintsy hisy ny fanitsiana ny lalàmpanorenana, raha ny fahitana ny firesak’ingahy filoha, indrindra fa ilay andininy mahakasika ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena mialoha ny hanatanterahana ny fifidianana. Eo ihany koa ny mety hampidirana ny fokontany ao anatin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Nanantitrantitra i Hery Rajaonarimampianina fa tsy ho vita ao anatin’ny iray andro na iray volana na herintaona ny fanarenana sy fampandrosoana an’i Madagasikara. Mila mijery lavitra sy manana vina ny mpitondra fa tsy variana amin’ny vahaolana tefy maika hanalefahana ny fanakianana sy hampanginana ny fimenomenonana fotsiny, hoy izy. Tsy hanana indrafo ihany koa ireo mpiasam-panjakana manao ny tsy mety na iza na iza fa tsy maintsy faizina araka ny lalàna rehefa tena hita porofo ny tsy mety ataony, hoy ny filoha. Nohamafisiny fa tena misy ny dahalo ambony latabatra ary tena sahy hiady amin’ireny mihitsy aho, tsy maintsy faizina koa ireny.
Ravalomanana sy Rajoelina
Momba ny fifidianana filoham-pirenena kosa dia tsy resaka hoe matahotra na tsy matahotra io fa fikarohana ny fitoniana, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Nanontaniana azy ny hoe : « sao dia matahotra an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ianao ka mikaroka izao hevitra rehetra izao hanilihana azy ireo »…Tsy any ny resaka, hoy i Hery Rajaonarimampianina fa maro be ny zavatra efa nataon’ireo olona ireo ka tokony hahatsapa tena izy ireo. Azo atao ny manitsy ny lalàmpanorenana fa tsy olana koa anefa raha avela amin’izao. Mety amiko daholo izay atao, izany hoe efa tena mahatoky ny tenany sy ny ekipany amin’ny fifidianana ho avy ny filoham-pirenena. Eo amin’ny fiaraha-miasa sy fifandraisana amin’ny any ivelany kosa dia misokatra amin’ny rehetra i Madagasikara, hoy i Hery Rajaonarimampianina fa tsy misy firenena omena tombony manokana na ailika izany. Be resaka tokoa ingahy filoha saingy hatreto aloha dia fahasahiranana, kolikoly, tsy filaminana, fanambakana ireo osa … no misy manerana ny nosy ary malaina ny hanohana antsika ireo mpamatsy vola avy any ivelany. Tsy misy tokoa ny fahagagana tampoka fa zava-doza ho an’ny firenena ihany koa ny mpitondra diso mahatoky tena sy manamaivana ny traikefa sy ny fahaizan’ny hafa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.