Politique

Fifidianana 2018 Efa fantatra ny ho mpandresy


  • Alakamisy 24 Aogositra 2017

Tsy mbola misy antoka mazava amin’ny hisian’ny fifidianana mangarahara sy malalaka eto amin’ny firenena amin’ny taona 2018.

 

 Toa fombafomba sisa ny fifidianana ho avy fa efa mazava kosa ny teti-panorona sy kajy maloto ao anatiny. Efa manomboka mivoaka izao ny handresy amin’io fifidianana filoham-pirenena io fa fihetsiketsehana fotsiny sisa ny ambiny. Mety ho sarotra inoana tokoa ho an’ny olom-pirenena tsotra kanefa efa tsy zava-miafina intsony ho an’ny ankamaroan’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika eto Madagasikara. Tsy tongatonga ho azy ny olana amin’ny fanomanana sy fikarakarana fa efa tafiditra ao anatin’ny teti-panorona avo lenta, hoy ny resaky ny mpamakafaka politika iray. Miezaka mafy ny CENI na ny vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana, saingy toa mbola nofinofy ihany ilay fahaleovantena. Manomboka eo amin’ny resa-bola no hisehoany sy hipetrahan’ny ahiahy. Manodidina ny 85 miliara ariary ny vola ilaina, ka ny 12 tapitrisa Euros, izany hoe 35 miliara eo ho eo dia avy amin'ny mpiara-miombon'antoka teknika sy ara-bola avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary ny 40 ka hatramin'ny 50 miliara ariary kosa hiantohan'ny Fanjakana Malagasy, izay efa noresahina ao anatin'ny lalàna momba ny tetibolam-panjakana 2017. Tsy azo hihodivirana ny kajikajin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny kandida izay mety aminy. Ny lisi-pifidianana hiandrasana manampahaizana avy any ivelany afaka volana vitsivitsy ity, kanefa tokony hilamina sy hirindra tsy ilàna volabe, raha tena manana tanjona amin’ny fifandimbiasam-pahefana tsy misy korontana sy valifaty politika tokoa  isika, raha ny tolo-kevitra nataon’ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar). Toa rano atobaka an-damosin-gisa ireny tolo-kevitra ireny ary tsikaritra fa ny vola avy any ivelany no mahamaika. Ny resaka fahalalahana sy ny lamina ara-politika moa io efa iaraha-mahita io sahady ny fisomparana kandida sy ny fanenjehana isan-tsokajiny, kanefa tsy androm-pifidianana, mainka fa tena ho raikitra ny tokoa.

Tsy mbola azo antoka ny CENI

Na ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana (CENI) aza toa tsy sahy manome antoka mazava ny hisian’ny fangaraharana sy ny fahalalahana, ary mbola mangataka fahefana bebe kokoa. Miezaka ny CENI mandresy lahatra ny olona fa tsy mbola resy lahatra ny olona hoe tena hahaleo tena tanteraka  ve izy sa ahoana, hoy Ralison Roger avy amin’ny antoko PRM (Parti Républicain de Madagascar). Ny krizy mialoha ny fifidianana mbola azo leferina noho ny krizy aorian’ny fifidianana satria tena mahery vaika. Ho an’ireo mpitondra ao amin’ny governemanta izay tsy manana traikefa firy dia mieritreritra fa mety hangala-bato. Raha ny lalàna mifehy ny fifidianana amin’izao no hoentina dia ady tsy hifankahitana eto afaka herintaona. Toraka izany koa ny lalàmpanorenana. Soso-kevitra narosony ny famerana ny vola azo ampiasaina, hajanona ireny resaka T-shirt, kasikety … fa aleo ny programan’asa no entina  hiadin-kevitra hazavaina amin’ny olona. Hajanona ihany koa ny fakana artista satria manimba ny artista ireny.


Toky R


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT