Miomana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ny antoko politika samihafa misy eto Madagasikara.
Ao ireo handrotsaka kandida avy ao anatiny, ao ny hanohana olona ivelan’ny antoko na koa hisokatra amin’ny antoko hafa. Handray anjara fa tsy ho mpitazana ny Arema raha ny fanazavan’ny Pr Raniriharinosy Harimanana, mpampianatra mpikaroka ary mpikaroka mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo ary kandidan’ny Arema tamin’ny fifidianana Ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny jolay 2015. Nanamafy ity farany fa rariny loatra izany satria antoko lehibe indrindra eto amin’ny firenena ny Arema, antoko nandingana Repoblika telo misesy dia ny faha-2, faha-3 ary faha-4 ary manana Ben’ny tanàna 400 manerana ny Nosy. Antoko manana ny hoaviny mamirapiratra ny Arema, hoy hatrany izy ary miomana ny handrombaka ny fifidianana. Ny Amiraly Didier Ratsiraka no kandidan’ny Arema. “Efa im-betsaka ny amiraly no nanasa mpanao politika hiady hevitra aminy, alefa mivantana amin’ny haino aman-jery, hilazana ny zava-misy marina eto amin’ny firenena, hahafahan’ny vahoaka mitsara izay olompirenena manana fijery ho an’i Madagasikara, fa tsy ho an’ny tenany manokana. Mandrak’ity tsy mbola nisy namaly ny fanasany, tsy misy te hifanandrina aminy. Efa atahoran’ny kandida sasany sahady”, hoy izy. Porofoin’i Didier Ratsiraka eto fa tsy misy Amiraly milavo lefona izany. Tsy ady anefa no resaka fa politika ary fiainam-pirenena. Izy koa efa be taona ka raisin’ny hafa ho kirin’antitra ny azy, tsy manome sehatra ny tanora mba hisandratra, hany ka be ireo mpiara-dia aminy miala an-daharana toa an-dry Vaovao Benjamin, Rajaonarivelo Pierrot, Razanakoto Norbert … Hatramin-dry jeneraly Rasolondraibe Jean Jacques aza efa mihatakataka. Mihevitra koa ny maro fa mitsoka ny rivo-pahendrena mihatakataka fa lehilahy lehibe raha mahita ny fanapahan-kevitr’i Raul Castro, 86 taona, nilaza fa hijanona tsy hitondra intsony amin’ny aprily 2018, rehefa nitondra tany Cuba nanomboka tamin’ny 31 jolay 2006. Toy izany koa i Robert Mugabe, 93 taona, nitondra tatsy Zimbabwe teo anelanelan’ny taona 1987 ka hatramin’ny 2017.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.