Efa vonona tanteraka i Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana 2018 ka ny fotoana higadonany sisa no andrasana, raha ny fanambarany nandritra ny fiatrehany ny fanokafana ny fivorian’ireo ben’ny tanŕna aty amin’ny ranomasina Indianina teny amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina omaly.
Nambarany anefa fa tsy maintsy manaraka tsara ny fomba sy ny lamina ara-demokratika isika mba ho ny tena safidin’ny Malagasy no hivoaka, ka ho hita eo ny tiany hitondra azy. Apetraka amin’Andriamanitra ny mahasoa ity tanintsika ity satria efa tena sahirana loatra ny Malagasy. Ilaina hatrany anefa ny fanohanan’ny vondrona iraisam-pirenena amin’ny fanatontosana izany an-tsakany sy an-davany. Manoloana ny fivorian’ireo ben’ny tanàna aty amin’ny ranomasina indianina izay tanterahina eto Antananarivo amin’izao fotoana izao kosa, dia nohamafisiny fa manana anjara toerana lehibe ny renivohitra ary zava-dehibe ny fiaraha-misalahy sy firahalahiana eo amin’ireo tanàn-dehibe sy ny samy ben’ny tanàna. Sesilany ny endrika antsojay toy ny fakana na fanagiazana ny vola tokony ho an’ny kaominina ka tsy nisalasala ny tenany nilaza fa ny vahoaka no potehina ka tsy azo ekena mihitsy. Nantitranteriny ihany koa fa mila manara-dalàna na ny mpitondra na ny entina, ka anisan’ny notsindriany manokana ny fakana an-keriny fananan’olona eto amin’ny firenena. Nanipy teny momba ny olan’ny orinasa “Tiko” sy ny fanjakana ny tenany, izay nilazany fa tsy misy fivoarany firy izany. Hifarana amin'ny faran'ity taona 2016 ity kosa ny andrana rehetra eo anivon’ny orinasa "AAA", ka hampitomboina amin’izay vokatra aorian’izay fa sasa-miandry ny mpanjifa.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.