Araka ny efa nambarany nandritra ny fihaonan’ireo mpanao politika teny amin’ny Hotely Colbert dia tany Alemaina sy Frantsa Atoa Marc Ravalomanana tamin’ity herinandro ity ka nihaona tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana avy amin’ireo firenena eoropeanina roa matanjaka ireo.
Ankoatra ny fanatrehany ny fivorian’ny COP 23 tany Bonn Alemaina dia niresaka tamin’ny mpitondra Alemanna i Marc Ravalomanana izay tsy vahiny intsony moa any an-toerana satria mpiara-miasa azy efa hatry ny ela ny Alemana.Fifidianana no anton-dresaka tao,mbola tafaresaka tamin’ny delegasinonin’ny vondrona Eoropenina notarihan’Atoa Louis Michel ihany koa izy momba io fifidianana io ary ny alakamisy teo dia nandalo tany Paris – Frantsa ary niresaka tamin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Frantsay i Marc Ravalomananana. Politika sy fifidianana no tena nibahana tamin’ireo fihaonana telo ireo, satria ny Alemana sy Frantsay ary ny vondrona eoropeanina dia mpiara-miombon’antoko goavana amin’i Madagasikara amin’ny sehatra maro ary samy manampy antsika amin’ny fanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara ary tsy misy fanilikilihana. Matetika midinika sy miresaka amin’ity filoha teo aloha ity ihany koa izy ireo. Mialoha ny nandaozany an’i Madagasikara dia efa namerimberina i Dadavalo fa tena ilaina ny fifampiresahana fa io ihany no hahafahana mikaroka vahaolana.Kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena izy ary efa manomana dieny izao ny paikadiny. Matoa milatsaka hofidiana dia manana fanantenana fa ho lany, anton’ny fifampiresahana dieny izao amin’ireo mpiara-miasa fa tsy eo amin’ny fitondrana vao hipenipenina tahaka izao ataon’ny fitondana HVM izao. Tapitra ihany ny 5 taona niasana fa tsy misy ny zavatra mivaingana satria mikatso ny famatsiam-bola fa ambiny no hany mba azo. Tsy iadian-kevitra intsony izao fa kandida manana ny maha izy azy Atoa Ravalomanana ary maro amin’ireo firenen-dehibe sy mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena no mahatoky azy. Izy hatreto no nahay nifehy sy nampandroso an’i Madagasikara nandritra ny 7 taona nitantanany ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.