Politique

Fifidianana 2012 Rediredy avokoa


  • Alarobia 11 Jolay 2012

Mazava ny resaka ankehitriny. Tsy mbola ho amin’ity taona 2012 ity ny fifidianana eto Madagasikara.

 Nanao fanambarana ny CENI-T omaly, tamin’ny alalan’ny filohany, Rtoa Atallah Béatrice. Na tsy mbola namaritra daty sy izay karazam-pifidianana hatao aza ry zareo, dia mazava ny zotram-pifidianana. Nampitovy tadin-dokanga amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy ireo ary dia hiaraka hiasa ity vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita ity sy ny iraky ny Firenena Mikambana mikasika azy io. Ny tondrozotra niarahan’ny ankolafy politika nanao sonia teto Madagasikara ny 17 septambra 2011 rahateo dia mamaritra mazava ao amin’ny andininy faha-10 io fiaraha-miasa io, amin’ny famaritana ny tetiandrom-pifidianana sy ny fifidianana hatao.

Tsy nivaona tamin’izay ny CENI-T, na eo aza ny tsindry ataon’ireo mpanao politika mpanohana an’i Andry Rajoelina ny amin’ny tokony hanaovana fifidianana amin’ity taona 2012 ity. Ny zava-nitranga teny amin’ny foiben-toeran’ny CENI-T, eny Alarobia, omaly aza dia maneho mazava fa dia feo iray manomboka eto no ho heno mikasika ity resa-pifidianana ity. Sambany mantsy hatramin’izay nananganana ny CENI-T sy nanaovany fanambarana izay, no niray latabatra nanotrona ny CENI-T, ny Firenena Mikambana tamin’ny alalan’ny mpandrindra ny asany eto, Rtoa Fatma Samoura, ary ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny alalan’ny masoivohony eto, Leonidas Tezapsidis, raha nanao fanambarana manodidina io resa-pifidianana io. Izay no niseho omaly raha nifanatrika hatrany izy ireo hatrizay, ka teny amin’ny toeran’ny mpihaino sy mpijery na mpanatrika hatrany ny Firenena Mikambana ary ny Vondrona Eoropeanina. Midika io fa vonona hanohana sy hitondra ny anjara birikiny ireto sehatra ireto raha fifidianana hankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena marina no hatao.

Nisinda, araka izany, ny fisalasalana sy ahiahin’ny maro ny amin’ny hoe hanao anjolofo hanatanteraka fifidianana ny CENI-T. Mazava fa dia toy ny sosoa voatapo-drano ny FAT, izay nanantena ny hanambaran’ny CENI-T fanatanterahana fifidianana amin’ity taona 2012 ity. Rediredy avokoa ireny. Ara-teknika rahateo dia tsy ho tanteraka izany. Na ny vola hanaovan’ny CENI-T ny fampandehanan-draharahany rahateo aza tsy eo am-pelatanany amin’ny fotoana ilany azy. Mihisatra ihany koa ny fananganana ny rantsamangaikany any amin’ny Faritra sy Distrika.

Ho an’ireo efa tafatsangana indray dia tsy mbola fantatra hatreto izay solontenan’ireo antoko politika, betsaka koa anefa ny fanakianana ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena amin’ireo efa voafidy. Raha zohina amin’ny zava-nitranga omaly iny ihany koa dia tsy misy tokony ho nihazakazahana ka nanaovana fivoriana tsy ara-potoana mandeha ankehitriny nandinihana ny lalàna fehizoro mikasika ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka. Hisy ny iraky ny Firenena Mikambana ho avy, hanao tombana indray ny fahafahan’i Madagasikara mikarakara fifidianana madio, mangarahara, malalaka, demorkatika, eken’ny rehetra. Tamin’ny iraka teo aloha, tsiahivina ihany fa any amin’ny volana mey na jona 2013 any no heverina hanatanterahana miaraka ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka.

Jean D. 

Sary : Manotrona ny CENI-T ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona Eoropeanina (Sary : Fandrama)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT