Manentana anareo mpikambana tao amin’ny FIFAR teo aloha aho mba tsy ho kivy na eo aza ny ataon’ny SADC somary mahavery hevitra be ihany.
Miady izahay amin’ny fametrahana ny “aministie” hodinihana eny amin’ny Parlemanta ary mitady ny fomba rehetra hamerenana ny Filoha Marc Ravalomanana ao anatin’ny fotoana fohy, hoy i Mamy Rakotoarivelo, tetsy amn’ny Castelo Motel Anosizato tamin’ny sabotsy teo, fotoana nifampiarahaban’ity fikambanana ity nahatratra ny taona vaovao 2012. Fa ao anatin’izany dia mitaky ny firaisankina eo amin’ny mpiara-mitolona rehetra. Aoka tsy hosaratsarahan’olona, hoy izy, fa hanatratra ny tanjona iombonana dia ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana hitantana indray ny firenena.
Ampangino ny hambom-po dia ny tombontsoa ambonin’ny firenena no banjino. Aoka ny demokrasia no hanjaka eo amintsika, hoy ny lehiben’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana. Nanotrona ity lanonanareo ity aho na dia nisy nanakana aza, hoy izy. Vahoaka be izao ve tsy hatrehako ! Izay mahazaka dia tohanako. Baiko avy amin’ny Filoha Ravalomanana no nanampiako anareo FIFAR, hoy kosa i Guy Rivo Andrianarisoa mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana tonga nanotrona ity lanonana ity.
Satria nisafidy ny lanonana mampihavana ianareo fa tsy ny mampisaraka dia tonga izahay, hoy izy, ka mifandraisa tanana. Satria tolona hakana fahefana ao anatin’ny demokrasia no atao dia ato amintsika aloha ny fanombohana izany. Nanamafy tamin’ny alalan’ny filohany, Bernard Joseph, ry zareo FIFAR, fa tsy mivadi-belirano amin’ny filoha Marc Ravalomanana. Miangavy anareo mirahalahy izahay, hoy ity filohan’ny FIFAR teo aloha ity, ataovy tonga any amin’i Dada ny hafatra fa miandry azy ny FIFAR amin’ny fanasoavana ny vahoaka eo amin’ny Fokontany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.