Politique

Fifanolanan’ny Fagnomba-QMM-Faritra Mbola tantara tsy vita ao Tolagnaro


  • Zoma 12 Aprily 2013

Mbola raharaha tsy voavaha ao Tolagnaro hatramin’izao ny fifanolanan’ny hetsika Fagnomba sy ny QMM ary ny Faritra Anosy.

 Mananika ny faharoa volana izao no nitazonana am-ponja ny filohan’ny hetsika Fagnomba, Rtoa Zafinandro Perle sy mpikambana vitsivitsy. Antony roa no itazonana azy ireo raha ampahatsiahivina. Voalohany ny sakan-dalana tao amin’ny «4-chemins» Bezavona-Mandena, ka nitondran’ny QMM ny raharaha teny anivon’ny fitsarana. Efa in-droa niakatra fitsarana ity raharaha ity saingy tsy tanteraka fa nahemotra ho any amin’ny 30 aprily indray. In-telo nangataka fahafahana vonjimaika ny mpisolovavan’ireo mpikambana ao amin’ny Fagnomba saingy nolavin’ny fitsarana hatrany. Ny faharoa raha ampahatsiahivina dia ny fahavakisan’ny tranon’ny CED, izay rantsamangaikan’ny CENIT ao Tolagnaro.

Amin-dry zareo Fagnomba anefa dia tetika efa tsara omana nataon’ny Faritra ahafahana mampiditra azy ireo any am-ponja fa manelingelina io. Fanasoketana anay fotsiny io mba hamonoana ny tolonay tsy ahafahana mitsikera ny zava-doza ataon’ny FAT, hoy hatrany ry zareo Fagnomba. Nanamafy ny mpitarika ity hetsika ity fa hiady ho an’ny Faritra Anôsy no tanjony. Ny fitiavantanin-drazana, hoy izy ireo tsy mila fihatsarambelatsihy fa mitaky fahavononana na dia hihatra aman’aina aza. Araka ny vaovao azo dia mety ho amin’ny 23 aprily izao ny fitsarana ny raharaha fahavakisan’ny tranon’ny CED, herinandro manaraka ny fitsarana ny sakan-dalana teny Bezavona.

Natiora OTH

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT