Politique

Fifandraisan’ny Maorisy sy Madagasikara Hohamafisina hatrany ny ara-toekarena


  • Talata 13 Martsa 2018

Natao omaly tetsy amin’ny hotely Carlton ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny fahaleovantenan’ny Maorisy sy ny faha-26 taonan’ny naha repoblika azy.

 Anisan’ny noresahana tao ny momba ny fiaraha-miasan’ny firenena Maorisiana sy Malagasy. Ao ohatra ny fanamafisana ilay commission mixte izay hampivelatra bebe kokoa hatrany ny fiaraha-miasa ara-ekonomika sy ny sosialy.Ankoatr’izay ny fizarana traikefa amin’ny sehatra fizahan-tany izay miroborobo fatratra any Maorisy mba hanatsarana sy hampandrosoana io sehatra io eto Madagasikara. Arak’izany, hotohizana hatrany ary hampitomboina ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikaara, hoy ny ambasadaoron’i Maorisy Goburdhun Datakarran. Raha tsiahivina, efa nisy fifanarahana 3 vita sonia tamin’ny 11 martsa 2016. Nisy ny fifanarahana fiaraha-miasa mahakasika ilay commission mixte, ao ihany koa ny taratasy fifanekena (mémorandum d’entente) ny amin’ilay fametrahana ny faritra ara-toekarena manokana (ZES) ary ny farany ilay fifanarahana fifandraisan’ny sampandraharaha fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara EDBM (Economic Development Board of Madagascar) sy ny Board Investment of Mauritius any Maorisy. Efa maro ny firenena mizara traikefa amin’ny sehatra maro samihafa tahaka ny ataon’ny Maorisy saingy tsy misy vokany mihitsy. Ny tsy fahaiza-manao sy ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitondra no antony tsy mahatafavoaka ny firenena Malagasy.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT