Politique

Fifandraisan’i Madagasikara sy Japon Miditra amin’ny kihon-dalana vaovao


  • Alakamisy 07 Desambra 2017

Nihaona tamin’ny Amperora Japonais Akihito sy ny mpanjakavavy Michiko Shoda tao amin’ny Lapan’i Kyüden ny filoham-pirenena Malagasy Hery Rajaonarimampianina mivady omaly alarobia 6 novambra, namaranana ny fitsidihana ara-panjakana nataony tany Japon.

 Nifantoka betsaka tamin’ny fametrahana fihavanana sy fiaraha-miasa mafonja sy fanokafana pejy vaovao ho an’ny fifandraisan’ny tany roa tonta. Nialoha ny fihaonana tamin’ny Amperora, dia tsiahivina fa efa nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ny praiminisitra Japonais Shinzo Abe ny filoha Malagasy. Nivoitra tamin’izany ny fahavononan’i Japon hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny Drafitra nasionaly momba ny fampandrosoana (PND), indrindra ny fanamboarana fotodrafitrasa goavana. Nisy ihany koa ny fanampiana ara-tsakafo mitentina 470 tapitrisa yens ary 200 tapitrisa yens ho an'ny fampidirana rano fisotro madio. Fahombiazana ihany koa ny fikaonan-doha niarahana tamin’ny mpampiasa vola Japonais sy ny mpandraharaha Malagasy niaraka tamin’ireo mpitondra fanjakana na ny «Madagascar – Japan, forum business». Manga ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Japon, ary kihon-dalana lehibe amin’ny dingana vaovao mankany amin’ny fampandrosoana izao, hoy ny fanjakana Malagasy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT