Politique

Fifandraisana amin’ny any ivelany Manjavozavo ny politikan’ny fanjakana


  • Alatsinainy 18 Septambra 2017

Niditra tamin’ny laharana faha-20 tamin’ity herinandro ity ilay fandaharana manokan’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, ezahany haparitaka amin’ny haino aman-jery hoe “Fotoam-bita”, raha tany amin’ny volana mey ny laharana voalohany.

Niezaka namintina izay efa voalazany tamin’ireo andiany 19 lasa ihany ny tenany saingy hita ho tsy feno hatrany ary mbola miteraka baraingo maro. Ny zava-misy dia mbola mirongatra ny tsy fandriampahalemana sy ny kolikoly isan-karazany ary mbola maro ireo mitaraina ho very tany. Ny lafiny diplaomasia indray no nentiny tamin’ity herinandro ity ary nilazany fa tsy mbola nanasonia fandraisana mpitsoa-ponenana ny filoham-pirenena fa izay manana porofo dia afaka mampiseho izany.

Tsy maharesy lahatra

Manoloana ireo tsikera mikasika ny fiaraha-miasantsika amin’ireo firenena malaza ho tsy dia levon’ny vavonin’ny sehatra iraisam-pirenena kosa dia tsy maharesy lahatra ny fanazavany azy. Ohatra noraisiny ny fandalovan’ny filoha Tiorka teto ka nohazavainy fa ady amin’ny asa fampihorohoroana no noresahan’ny roa tonta satria te hifanampy amintsika amin’izay lafiny izay i Tiorkia. Nitondra mpandraharaha 150 teto ny Tiorka hitadiavam-bahaolana eo amin’ny toekarena. Hisy hiteny izao fa firenena efa niala tao amin’ny vondrona eoropeanina toa an’i Angletera no hiaraha-miasa. Amiko, firenena manana hazondamosina ny firenentsika ary betsaka ny mety hilantsika azy. Ny mikasika ny fiaraha-miasa amin’ny sinoa sy japoney dia nambarany fa matotra ary mandeha tsikelikely ireo fotodrafitrasa isan-karazany.  Mino aho, hoy ny filoha fa hisokatra tsikelikely ireo masoivohontsika any ivelany izay mandany volabe ny karamany ary mitentina 38 miliara ariary no holaniana.Nanambara moa ny filoha Rajaonarimampianina ny sabotsy teo raha nitafa tamin’ny mpanao gazety fa ho avy tsy ho el any fanendrena masoivohon’i Madagasikara any ivelany ary ho maromaro izy ireo.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT