«Vita tamin’iny 7 febroary 2012 iny ny fanehoan-kery. Ny an’i Andry Rajoelina nizarana vola sy akanjo mbola nisy nahavita nitsoaka an-daharana, ny an’ny ankolafy Ravalomanana kosa sady nivarotana t-shirt sy nandoa saran-dalana, tsy mbola omby ny olona nitsena ny filoha Ravalomanana», hoy ny CT Randriampilamanana Rostand.
Tsy iny 7 febroary iny ihany no zavatra nitranga teto, hoy izy ka rehefa tsy mahefa hitsara ny fandrobana sy ny fandorana fananam-pirenena sy fananan’olon-tsotra ny 26 janoary 2009 ny fitsarana dia tsy tokony hotsaraina ihany koa ny 7 febroary 2009. Raha hiroso amin’ny fitsarana izany raharaha izany anefa dia takiana ny hihainoana ireo vavolombelona rehetra toy ny kolonely Charles Andrianasoavina, ny Talen’ny fiambenana ny lapa, ny jeneraly Alain Andriamamory, Monja Roindefo. Niantso ireo mpitsara ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity ny amin’ny hoe raha hanadio ny fitsarana ihany dia tokony hamerina ny fitsarana ny raharaha 7 febroary sy hitsara ny 26 janoray izy ireo.
Mikasika ny nisamborana ilay mpikambana eo anivon’ny CT Marcellin Razanakoto izay nitaky ny fialan-dRajoelina, dia mitaky ny hamoahana azy tsy misy fepetra, i Manoela satria ny hevitra, hoy izy, no miady fa tsy olona. Tetsy andanin’izany manoloana ny antsojay mahazo ny fianakaviana Ravalomanana dia nametra-panontaniana i Zafilahy Stanislas ny amin’ny antony atahoran’ny FAT ity fianakaviana ity kanefa nambara fa tsy lany intsony Ravalomanan raha hilatsaka hofidiana satria efa naloam-bahoaka. Fialonana sy tsy fitiavana no tena tambadik’izany, hoy ity filoha lefitry ny Kongresy ity, izay nanao antso avo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hijery ny vahoaka 20 tapitrisa. «Ampy izay !», hoy izy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.