Politique

Fifanatrehana teny Tsimbazaza Fisehoana ivelany no betsaka


  • Alarobia 30 Mey 2012

Nanomboka omaly talata 29 mey indray ny fifanatrehana mivantana fanindroany teo amin’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta Beriziky ao anatin’ny fivoriana ara-potoana voalohany atrehan’ireo CT eny Tsimbazaza.

 Ny fametraham-panontaniana avy amin’ireo CT ary famaliana izany mivantana ataon’ireo minisitra mifandimby no votoatin’ny fihaonana ary tafiditra indrindra ao anatin’ny asa voatondron’ny lalàna fa anjara andraikitr’ireto olom-boatendry ireto izany. Raha ny zava-nisy omaly tamin’ny niakaran’ny minisitra telo mirahalahy voalohany ny maraina (minisitra lefitra miadidy ny raharaham-bahiny, ny ministry ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana ary ny ministry ny ati-tany) dia karazana fisehosehoana ivelany no hita taratra tamin’ny fametraham-panontaniana nataon’ireo CT.

Nandeha nivantana tamin’ny Televiziona Malagasy mantsy ary hitan’ny vahoaka manerana ny Nosy ny fandehan’ny niseho tao an-dapa dia niompana indrindra tamin’ny resaka mampaharary ny faritra misy azy amin’ny lafiny rehetra ny fanontaniana navantan’ireo nahazo anjara fitenenana fa saika hadino tamin’ny ankapobeny fa resaka fampandehanan-draharaha sy fiomanana amin’ny fifidianana no votoatin’ny asa tokony hosahanin’ireo minisitra ireo.

Ambin-javatra ny fanontaniana mikasika ny olana amin’ny fanatanterahana izany fifidianana izany ka novalian’ireo minisitra telo ireo. Mba anisan’ny nahazoam-baliny tamin’izy ireo izao ny hoe : tsy anjaran’ny governemanta ny mamoaka ny datim-pifidianana fa fahefan’ny Cenit tanteraka. Tahaka izany koa ny hoe : azo esorina amin’ny toerany izay lehiben’ny Distrika efa miara-manao fampielezan-kevitra sahady amin’ireo mpanao politika mpitantana ao amin’ny tetezamita iombonana ankehitriny. Valy boribory toy ny mahazatra kosa ny azo tamin’ny fangatahana fanazavana marina tamin’ny zava-nisy sy natrehan’ny mpitondra FAT tany Angola farany teo. “Raharaha manokana ary tsiambaratelom-panjakana no natrehana tany”, hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny ka tsy nisy nidiranay na kely aza, “nefa azo heverina fa ny amin’ny famatsiam-bola hiatrehana ny fifidianana avy amin’ny SADC sy ny Vondrona iraisam-pirenena no nibahana tamin’izany”. Ny azo ambara fa niavaka indrindra kosa dia ny fangatahan’ny CT Rabialahy, ny hiantsoana ny SADC hifanatrika mivantana amin’ireto parlemanta Malagasy ireto ka hitondra ny fanazavana marina mikasika ity tondrozotra sy ny fampiharana azy ity ka hamaly mivantana ny fanontanian’izy ireo koa.

Nampanantena ny hitondra ny hafatra amin’izany ny minisitra Manantsoa Victor. Ny hariva dia voatery nofoanana ny fiakaran’ny minisitra marobe voatondron’ny fandaharam-potoana fa hiakatra Lapa eny Tsimbazaza fa hoe hanatrika ny fanambarana miezinezina ataon’ny CENIT ny rehetra nefa dia nanantena tsy nisy teo. Anio alarobia dia voalaza fa nofoanana koa ny “face à face” efa vita anaty fandaharam-potoana satria hiatrika filankevitry ny governemanta indray ireo minisitra rehetra. Marihina fa mbola bangabanga be toy ny mahazatra ny seza ao amin’ity efitrano fivorian’ny Kongresin’ny tetezamita ity satria CT 137 monja amin’ny 417 no tonga namonjy fivoriana omaly.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT