Politique

Fifanarahana “Frantsa-Madagasikara” Hahazo tombony ireo tanŕn-dehibe


  • Alatsinainy 28 Novambra 2016

Nisongadina nandritra ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia andiany faha-16 ny fahatongavan’ny Filoha Frantsay François.

 

Na ara-tantara na ara-politika dia tsy voafafa ny fifamatoran’ny tany roa tonta. Mifamatotra hatrany ny tany roa tonta ka fifanaraham-piaraha-miasa miisa 4 lehibe no vita sonia afak’omaly. Voalohany ny tetikasa mikasika ny fampandrosoana ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara mba hampitoviana lenta azy ireo izay fantatra amin’ny anarana hoe “PADEVE”, ka voakasik’izany ireo renivohitra laharana faharoa eto amintsika. Himasoana ihany koa ny fampivoarana ny fiainan’ny mponina ao amin’ireo tanàn-dehibe ireo, dia Antsirabe, Antsiranana, Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina ary Toliara. Fampindramam-bola mitentina 25 tapitrisa Euros no atokana ho amin’izany ary fanampiana 2 tapitrisa Euros hatokana ho an’ny fotodrafitrasa. Faharoa ny tetikasa mifantoka amin’ny fanadiovana ny tanànan’Antananarivo na “PIAA”, izay vatsian’ny Sampandraharaha Frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) amin’ny alalan’ny fanampiana sy fampindramam-bola mitentina 25 tapitrisa Euros hoenti-manamafy ny asa fanadiovana eny amin’ireo fokontany mora azon’ny tondra-drano. Fahatelo  ny fanampiana sady tosika ara-bola mitentina 5 tapitrisa Euros, avy amin’ny frantsay ho an’ny taona 2016. Tanjona amin’izany ny hanampiana ny governemanta amin’ny fampiasana sy fandaniam-bola, indrindra fa ny lafiny sosialy ary ho azo mialoha ny faran’ny taona io vola io. Fahefatra farany ny famatsiana ara-bola ilay tetikasa fanamboarana ny antsoina hoe “rocade” amin’ny ilany Avaratra-Atsinanan’Antananarivo, izay avy amin’ny vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ny AFD ka vola mitentina 4,8 tapitrisa Euros no atokana ho amin’izany. Raha atambatra dia manome 62 tapitrisa Euro ny fitambarany ka ao ny fampindramam-bola ary ao ny fanampiana.


 

 Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT