Tsy fananan’ny mpanao politika irery ary tsy fananan’ny mpanao politika na iza na iza i Madagasikara, ka hanaovany izay tiany hatao, hoy i Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha omaly. Nambarany fa ampy izay ny fiheverana fa ny fanankorontanana ny firenena no vahaolana.
Efa nampidi-kizo ny firenentsika izany ka tsy azo ekena hiverina intsony, hoy hatrany ny filoha. Izy sy ny fanjakany mihitsy anefa no minia mamboly sy mitady korontana noho ny kajikajy politika hoenti-mibodo fahefana satria tsy mahatoky tena. Manahy mafy ny hisian’ny mangaraharaha, ohatra, amin’ny fifidianana ka di ate hihiboka sy hanao izay danin’ny kibony, fa tsy vonon-kifanaraka sy hametraka fitsipi-dalao hiraisana. Toa namaly bontana sy nampibaribary ny tsy hisokafany fa hanaovany kopisoroka i Hery Rajaonarimampianina. Tsy mbola nisy angamba izany fitakiana ny hisian’ny tetezamita izany, saingy fanontaniana napetrany ny hoe: hamboly tetezamita ho amin’ny inona indray? Hamorona fifanarahana amin’ny inona indray? Tonga dia valiteny “TSIA” mahitsy io ho an’ireo fikambanana sy antoko politika mitaky ny hisiana fifanarahana politika hametrahana fitoniana mialoha ny fifidianana. Fihetsika azo adika ihany koa fa tena tsy vonona ny hihavana ny filoham-pirenena sy ny ekipany ary tena mazava izany izao ny antony mampikatso ny fampihavanam-pirenena; efa ny filohan’ny repoblika mihitsy no milaza ampahibemaso fa tsy mila izany fifanarahana politika izany, fa efa ry zareo izao no mpitondra mahefa eto ka tompon’ny fanapahan-kevitra farany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.