Politique

Fifampiarahaban’ny TIM Boriborintany faha-6 Notronin’ny filoha Marc Ravalomanana mivady


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

“Faly aho tena faly aho », hoy ny filoha Marc Ravalomanana tonga teny Ambodihady Ambohimanarina raha nanotrona sy nanatrika ny Fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2018 ny Tiako i Madagasikara Ambohimanarina boriborintany faha-6 ny sabotsy 3 martsa teo.

Amin'ny maha be tantsaha mpamboly vary sy mpiompy ny eto Ambohimanarina dia notolorana fanomezana ny Filoha Marc Ravalomanana mivady sy ireo vahiny nasaina nahitana ireo Parlementera sy Mpanolotsaina Monisipaly. Nanolotra izany ho azy ireo ny Depiote Marie Horace Rasoanoromalala sy ny filohan’ny  DISTIM Rafiliberasoa.

NIASA - MIASA - HIASA ny Antoko Tiako i Madagasikara eto Ambohimanarina ary manana tanora  Mahay - Mahalala - Mahavita ihany koa . Maro ny manangona tanora ankehitriny izay mampanantena fisandratana ary vinavina, fa toa zary lasa tohatra fiakarana fotsiny no anaovana azy ireny ka lasa natao sorona aza, ary dia nahapotika sy rava ny firenena tao anatin'ny 9 taona, mitsiry ary fahatsiarovana lehibe ho an'ireto tanora ireto kosa ny zava-bitan'ny filoha Marc Ravalomanana na dia mbola ankizy aza izy tamin'izany 1999 - 2009 ka nahatonga azy ireo vonona hanohana sy hifampizara ny soa sy tsara ho an'ny firenena hoantsika tanora, izay tsy ho tohatra fiakarana, fa hiady amin'ny kolikoly sy ny tsy fahamarinana ary indrindra ny akamakama hoy izy ireo. Notolorana sertifika nahavitany fiofanana avy amin’ny fiaraha-miasa teo amin'ny DISTIM sy ny  SG Tahina ary  ny tolotanana nataon'ny Depute HORACE ho azy ireo.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT