Politique

Fidison Aiza ny Bianco ?


  • Alakamisy 30 Aogositra 2012

“Nilefa i Andry Rajoelina”, hoy i Fidison avy amin’ny ankolafy Zafy Albert tao amin’ny Magro Behoririka omaly fa tsy mitombina ny filazana fa niala sasatra izy.

 Toeran-kafa no nalehany raha tena hiala sasatra tokoa izy. Rehefa izay dia niantso ny Bianco ny tenany mba hanara-maso ny fananan’ireo mpitondra ankehitriny. Rehefa ny madinika no manao, vetivety ny Bianco dia tonga, hoy izy. “Aoka ny lalàna tsy atao ho an’ny madinika”, hoy ihany i Fidison. Fanontaniana hafa koa no napetrany momba ny tsy nahitan’ny SAMIFIN ny vola niditra teto Madagasikara nanaovana ny korontana tamin’ny 2009. Ankoatra izay dia nambaran’ity solontenan’ny ankolafy Zafy Albert ity fa “gidragidra ny eto raha tsy Zafy Albert no mitondra ny komitin’ny fampihavanam-pirenena”. Tsy hanaiky izahay, hoy izy satria efa tapaka tany Maputo fa ny Pr Zafy Albert no tokony hitarika ny komitim-pirenena ho amin’ny Fampihavanana na ny CNR fa tsy olon-kafa. Aminy moa dia karazana mpisoloky ihany izay mitonatonana hanao izany.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT