Efa tamin’ny taona 2015 izahay ato amin’ny Aro riaka, hoy ny filohany, Odon Grégoire Rakotonirina, no nilaza fa tsy misy fahafahana eto na hiteny na haneho hevitra.
Tamin’izany koa no nangatahanay mba hamohana ny kianjan’ny demokrasia fa tsy nisokatra. Ny tena mahasorena, hoy hatrany ny tenany, dia ity resaka fangatahana alalana ity izay matetika misy mandà hatrany. Raha mijery ny tena atao hoe tany demokratika anefa dia ny vahoaka no antsoina hoe fanjakana ka tokony halalaka amin’ny fanehoan-kevitra. Eto amintsika, na ny depiote aza tsy mitaky izany akory. Amiko, tsy mila mangataka alalana rehefa haneho hevitra fa avy hatrany dia manatanteraka rehefa vonona. Raha izao fandehan’ny raharaha izao koa, hoy izy, na ny fahefan’ny fiadidiana ny kaominina aza tsy asian’ny prefe sy ny OMC hasina intsony.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.