Politique

Fidinana an-dalambe “Tsy misy intsony rehefa tsara solontena ny vahoaka”, hoy ny CST Raholdina


  • Zoma 16 Septambra 2011

Raha tena miasa ireo parlemantera dia tsy ilaina intsony ny kianjan’ny demokrasia, hoy ny CST Naivo Nantsoina Raholdina, tao anatin’ny fanamarihan’ny andro erantany ho an’ny demokrasia, omaly.

 Ny tena andrasan’ny olona amin’ireo parlemantera, hoy izy, dia ny hitondra ny feony ary tena mariky ny demokrasia izany. Tokony hanao tatitra tsy tapaka amin’ny vahoaka ireo parlemantera rehetra tsy an-kanavaka, indrindra rehefa avy miatrika fivoriana ary ny vahoaka. Tsy tokony hisalasala hanatona ireo solontenany ny vahoaka na any amin’ny biraony na any amin’ny toeram-ponenany. Ho an’ity CST ity moa dia efa nahatafatsangana ny kiajan’ny demokrasia kely eny amin’ny fokontany misy azy izy. Nambarany koa fa ny tetibola amin’ny lalàna volavolain’ireo parlemanta dia tokony hisy fiantraikany mivantana eny amin’ny fiainam-bahoaka toy ny lalam-bahoaka hitambarana. Rehefa tsara solontena ny vahoaka, hoy i Naivo Nantsoina Raholdina, dia tsy misy fidinana an-dalambe intsony. Mikasika ilay savorovoro niseho tao amin’ny Lapan’Anosikely tamin’ny herinandro lasa teo dia nambaran’ity CST ity fa tsy hoe tao anatin’ny fivorian’ny CST ireny fa fivorian’ny mpanao politika nindrana trano fotsiny nefa dia tao ihany koa no nandamina azy.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT