Politique

Fidinana an-dalambe Niaiky ny DFP fa tsy nahomby


  • Zoma 22 Desambra 2017

Tao Toamasina ny “Dingana ho an’ny Fampandrosoam-Pirenena (DFP)” nasionaly tarihin’Atoa Ratolojanahary Mahavarona na Doudou.


 Nisy ny fifampizarana vaovao sy fanazavan-kevitra tamin’ny mpiara-dia amin’ny DFP ao Toamasina izay nieken’i Doudou Maharavo fa tsy nahomby ny fanetsehana vahoaka nidina an-dalambe nataon’izy ireo ho fanalana ny fitondrana HVM, ka tsy maintsy hanova fomba fiady hiatrehana ny zavatra hitranga amin’ny taona ho avy 2018 io. Nilaza ny DFP fa hiatrika ny fifidianana izy ireo, izay hany tokana afaka hanilihana amin’ny alalan’ny safidim-bahoaka ny fitondrana HVM. Hisy ny hetsika atao manomboka izao hanampiana ny vahoaka tsy hofitahana indray. Hisy ny fanabeazana ny vahoaka mikasika ny fifidianana, miatomboka amin’ny fampahalalana azy ny lisi-pifidianana izay hifarana ny 31 janoary 2018 ny fanavaozana ireo lisitra efa vitan’ny CENI teo aloha. Nomarihan’i Doudou Maharavo fa tsy ao anatin’ny “mpanohitra” ny DFP fa ao anatin’ny Vondron’ny Fanovana ny fanaovana politika eto Madagasikara. Eo am-pitadiavana kandida harotsaka na hotohanana ny taona 2018 izy ireo izao.

 

Rakoutou

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT