Politique

Fidel Razara Pierre “Mbola hivadika vato ny atody”


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Nampitandrina ireomiziriziry tsy hamoaka ny marina momba ny fifidianana ben’ny tanàna ny depiote Fidel Razara Pierre ny sabotsy teo raha nandray fitenenana teny amin’ny Magro

 

 

 

Behoririka. Kisarisarin-teny no nampiasainy hampisaintsainana ny rehetra , hoy indrindra izy : “ ny vato androany, avy atody omaly, ka hoe rehefa vato ve dia manadino ny naha atody azy omaly…Izahay raha tody izao  dia mbola ho vato any aoriana any”  .Ny mahatonga antsika hivadika ho vato  dia rehefa tonga saina daholo isika fa mihatra amin’ny  taolana ny zavatra ataon’ireo , hoy izy; izany hoe ataon’ireo mangala-bato sy miezaka manakona ny fahamarinana.Misy fotoanany ny zavatra rehetra, hoy izy; tena miaritra , miala nenina mihitsy aloha isika izao manapitra ny dingana ara-dalàna rehetra. Rehefa tapitra ny ara-dalàna ka tsy mahazo ny rariny dia…ho hitanareo eo, hoy ity mpanao gazety sady olom-boafidy ity.Tsy nisy olona teto ka hoe nitsahana ny maha olombelona azy , avy eo tambatambazina amin’ny “bonbon” dia hanaiky eo foana.Aoka izay ity fitenenana hoe ianareo TIM resy lava, hoy i Fidel Razara Pierre;  fa resy lava izany anie tsy handanian’andro valiana isan’andro sy hampiasana olona maro be hanao serasera hanenjehana azy e , matoa ianareo manao an’izany dia matahotra anay TIM, hoy izy.

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT