Politique

Fidel Razara Pierre Andrasan-dRajoelina an-kendritohana…


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Fiantsoana tsy nisy votoatiny ny fiantsoana nataon’ny Filoha Rajoelina. Midika fiantsoana fa tsy fanasana ilay izy, hoy ny solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny TIM Fidel Razara Pierre. Mifanohitra amin’ny andininy faha-94 ny fiantsoan’ny filoha ny parlemantera,

 

 

  izay tokony ho amin’ny alalan’ny hafatra. Aminay iny mandika ny lalàmpanorenana. Raha misy ny fanajana, dia ny mpahay lalàna aloha no manaja izany, ka izay no tsy nandehanany. Ny Filoha mandika lalàmpanorenana dia azy iny, hoy ity depiote ity. Mbola samy hotsaraina anefa na ho ela na ho haingana, fa raha ny fandikan-dalàna izany, dia efa mahazatra ny mpitondra, hoy izy. Tsy afaka mampiantso solombavambahoaka ny Filoha. Mahagaga fa nivadika ho fifampiarahabana tratry ny taona. Mahagaga raha izany amin’ny maha andrim-panjakana ny solombavambahoaka izay andrim-panjakana dia “message” ve no hiantsoana ny depiote izay tsy misy fanajana ka asakasak’izay nandeha, hoy izy. Nisafidy ny nakeny Iavoloha moa ny depiote TIM rehetra. Toa somary notsongolohan’ny Filoha Rajoelina ity depiote ity na tsy notononony aza ny anarany noho ilay fanehoan-kevitra nataony momba ilay lalàna VBG, nilazan’io depiote io fa làlana mankany amin’ny fanekena ny fiarahan’ny olona mitovy taovam-pananahana. Tsy misy andininy na kely aza milaza izany, hoy ny Filoha Rajoelina. Nanome toromarika mihitsy ny depiote hijery ny fitsipika anatiny ny Filoha, izay toa midika fa izay maneho hevitra mitovitovy amin’ny nataon’i Fidel Razara Pierre, na koa mbola mamerin-javatra mitovitovy amin’ireny ity depiote ity dia mety hahita raharaha. Tsikaritra ny fiandrasana kendritohana ary toa lasa tsy matin’ny fanjakana lolo intsony ity depiote ity, izay nampikoropaka ny fanjakana tamin’ilay lalàna niteraka adihevitra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT