Politique

Fidarohana an’i Jean Pierre Manaitra ny zandary ny Amerikanina


  • Alakamisy 03 Martsa 2016

Namoaka fanambarana momba ny raharaha Jean Pierre ny masoivoho Amerikanina omaly, enim-bolana taorian’ny fanambarana nataon’ny kaomandin’ny zandarimaria, ny Jeneraly Rakoto François Rodin momba ny fanokafana fanadihadiana tamin’ny herisetra izay nahazo ny mpitarika ny hetsiky ny mpianatra Jean Pierre Randrianomanana, dia miandry ny vokatry ny fanadihadiana izahay, hoy ny fanambarana.

Miandry ihany koa ny dingana efa nataon’ireo mpitandro ny filaminana hisorohana ny fiverenan’ny tranga toy ireny amin’ny ho avy. Nankasitrahana tamin’ny fotoana nivoahany ny fampanantenana ny hanaovana fanadihadiana lalina sy mangarahara momba iny tranga iny. Dingana iray ho an’ny demokrasia toa an’i Madagasikara ny fanajana ny tany tan-dalàna sy ny tamberin’andraikitr’ireo manampahefana, hoy ny masoivoho namarana ny fanambarana. Enim-bolana tokoa no dila fa tsy nisy fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena hoe inona no natao ireo zandary izay azo sary sy voaray feo fa tena nampiasa herisetra diso tafahoatra tamin’ity mpitarika ny hetsiky ny mpianatra ity, izy izay tanam-polo fa tsy hoe nitondra basy na fitaovam-piadiana maranitra, ary izy irery no nataon’ny zandarin’ny emmo reg efa ho 10 tambabe nodarohana.



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT