Politique

Fiatrehana ny frankofonia Sahiran-tsaina ireo mpampitony


  • Alatsinainy 21 Novambra 2016

Hanomboka anio dia ho renivohitry ny frankofonia i Madagasikara, hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny, Beatrice Atallah, ka aoka hatsahatra hatreo aloha ny adilahy politika rehetra.

 

 Niantso fitoniana ihany koa ny avy eo anivon’ny fivondronamben’ny demokraty kristianina eto Madagasikara na ny Dekma KMTP  ary nanao fanambarana ny faran’ny herinandro teo fa noho ny tombontsoam-pirenena sy iraisam-pirenena dia miantso ny Malagasy rehetra izy ireo ho tony sy hampiseho fahendrena maha Malagasy manomboka rahampitso ka hatramin’ny fiafaran’ny frankofonia. Ho an’ny kaominin’Ivato manokana, izay heverina fa vavahadin’ny firenena,  dia nanamafy ny tompon’andraikitra fa miasa avokoa ireo taksibe eny an-toerana amin’io fotoana io saingy ho fitandroana ny loza mety hitranga noho ny resaka fifamoivoizana eo amin’ireo Malagasy sy masoivoho  vahiny kosa dia hohamafisina ny fanaraha-maso amin’ny fijanonan’izy ireny amin’ny fiantsonana ara-dalàna, indrindra amin’ny lalam-pirenena faha-52. Sarotra ny hampiato fiara fitaterana miisa 400 kanefa an’aliny ny mponina eny an-toerana, hoy ny tompon’andraikitra. Ho fandaminana ihany no antony nampiatoana ireo posy sy sarety amin’ny antoandro.

 

Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT