Politique

Fiatrehana ny Fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimiera Ny hisavorovoroan-kilatoana, hoy ireo solombavambahoaka maro


  • Sabotsy 05 Jolay 2014

Kabary fohy sy fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana no namarana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena omaly zoma 4 jolay, rehefa naharitra roa volana nanjakan’ny fifandroritana politika. Nohararaotina ny naka ny pronostikan’izy ireo amin’ny Mondial 2014.

Ny hevitr’izy ireo :

Mamy Rajhonson (Antananarivo faha-III) : Voalohany aloha, tsy hoe nikorontana ny parlemantera. Maro ny zava-bita teto fa ny resaka manakorontana an-jorony misy no mahatonga ny sasany andeha amin’ireny hevitra fitsipaham-pitokisana ireny. Mikasika ny Mondial dia mety ho lasan’i Brezila io fa izy no malaza ankehitriny.

SARY : Depiote Mamy Rajhonson

Ravelohanitra Nirina (Antsirabe II) : Ny tena zava-nisy dia tsy mora ny manao zavatra. Te-hampisongadina ny Distrika misy azy avy ny tsirairay. Raha resaka fitsipaham-pitokisana izany dia tsy fantatro ny amin’izany fa ny fampandrosoana ny Distrikan’Antsirabe faha-II ny ahy no tena himasoako. Raha resaka Mondial dia iray amin’ireto ekipa telo ireto no heveriko fa hahazo ny amboara : Pays-Bas na i Frantsa na i Brezila.

SARY : Depiote Ravelohanitra Nirina

FARHAD Houssen (Maintirano) : Ny amin’ny resaka savorovoro tety Tsimbazaza dia nisy tokoa nefa efa milamina. Misy fampantantenana natao no tsy mbola tanteraka ka nahatonga ny depiote sasantsasany nikononkonona fitsipaham-pitokisana. Raha resaka Mondial dia tena tsy naharaka mihitsy aho fa nivezivezy Maintirano/Antananarivo tsy an-kijanona.

SARY : Depiote Farahad Houssen

Harinosy Rabenerika Charlot (Soavinandriana Itasy) : Inona moa ny zava-misy fa tsy hoe ny hisavorovoroan-kilatoana ? Fifandaminan-javatra iny fivoriana ara-potoana voalohany iny. Nandimby trano mikorontan’ireo CT izahay. Ho ahy rehefa apetraka amin’ny toerana iray ianao  n’iza n’iza dia tokony hanao izay tandrify azy ary tsy maintsy tokony hahazo vokatra tsara. Misaotra anareo mpanao gazety amin’ny fanakianana fa amiko ireny dia tena fanitsiana anay. Raha resaka Mondial dia mampiantrano ny lalao i Brezila ka manana tombony izy amin’ny rehetra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT