Mbola manjavozavo tanteraka ny momba ny fifidianana ankehitriny na eo aza ny ezaky ny vaomiera mahaleotena na CENI.
Efa somary hita taratra ny finiavana ho amin’ny mangarahara saingy tsy mba toy izany kosa ho an’ny governemanta, raha ny fanehoan-kevitr’i Emile Ratefinanahary sy Sarah Rabearisoa tao amin’ny fandaharana “Donakafo” an’ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8 FM ny talata teo.
Emile Ratefinanahary, Mpandrindra ny OHT (Olona Hasin’ny Tany)
Efa nosoniavin’i Madagasikara ny lalàna iraisam-pirenena, toy ny zo fototra maha olona, ny fanabeazana maimaimpoana, ny fahasalamana … saingy rehefa tonga ny mpanao politika mpanao kobaka am-bava, dia ireny ihany no miverina sy dradrainy, kanefa efa tokony handeha ho azy ary efa adidy tsy maintsy ataon’ny fitondrana, hoy i Emile Ratefinanahary, mpandrindra ny OHT (Olona Hasin’ny Tany). Tsy mahalala izany kosa ny vahoaka, izay hampanantenaina, kanefa zavatra efa tokony handeha ho azy. Eo ihany koa ny resaka tamberin’andraikitra izay tsy misy satria vao mandeha ny propagandy dia efa misy ny fizarana vola, ka toy ny hoe efa vitan’iny izany ny adidy tokony hataon’ny mpitondra, Mila ialana sy efa nanentanana ary nanabeazanay ny olona hatramin’ny 2014 izany satria efa fantatra ny afitsok’ity fitondrana Rajaonarimampianina vao lany teo, raha ny fanehoan-keviny. Mikasika ny lalàmpanorenana sy ny lalàna mifehy ny fifidianana, dia manjavozavo tanteraka sy tsy ao anatin’ny fangaraharana. Misy asan’ny governemanta ao, asan’ny parlemanta, CENI,… Ny CENI no efa niteny fa efa vonona izy miaraka ary efa tonga teto ny manam-pahaizana iraisam-pirenena. Apetraka ao anaty zavatra manjavozavo ny mpanao politika sy ny vahoaka ny fitsipi-dalao tsy mazava eto amin’ny firenena hoe : tsy hapetraka ny datim-pifidianana, tsy hapetraka ny lalàm-pifidianana,… Misy adidin’ny tsirairay io, ary ilay governemanta mihitsy no tsy manao ny adidiny, hoy izy.
Sarah Rabearisoa Filoha nasionalin’ny antoko PLD (Parti Libéral Démocrate)
Tokony hisy ny fitsipi-dalao iraisana ao anaty fanajana lalàna amin’ny fanatanterahana zavatra iray eto amin’ny firenena, hoy i Sarah Rabearisoa, filoha Nasionalin’ny antoko PLD (Parti Libéral Démocrate). Ny tsy fanajana ny lalàmpanorenana dia fantatrao fa tsy hisy fampandrosoana ... Izany no ilana ireny rafitra ireny, toy ny mpitsara, solombavambahoaka, ka raha ny tsirairay no tsy manao ny asany dia tsy hisy filaminana. Raha ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanajana ny lalàna no mametaveta izany noho ny fananana fahefana, dia tonga ho azy ny tsy ampoizina, ka ny vahoaka, ny miaramila,…no manao izany, hoy i Sarah Rabearisoa. Matoa misy ny antoko dia efa miomana sy mitaiza amin’ny fiatrehana fifidianana. Ny zavatra tsapa dia manao ny asany ao anaty ny mangarahara ny CENI, ary sambany no nanana vaomiera tahaka izao isika amin’ny fomba fiasa ka hahafahanay manana fifandraisana amin’ny antoko politika rehetra, mametraka ny fomba fiasa sy ny ezaka mihoatra ny efa nisy teo aloha,…. Ny governemanta mihitsy no tsy mamoaka vaovao mazava sy milalao saim-bahoaka. Ny 25 janoary dia tsy i Hery Rajaonarimampianina intsony no eto raha tsy hoe izy no lany ! Avoahay ny resaka fifidianana ao anatin’ny Antenimieram-pirenena, fa tsy mody arirarira any amin’ny fitsipaham-pitokisana. Matoa herintaona ny sehatra Iraisam-pirenena to ny OIF sy ny PNUD, ny UE nanaja ny mpanao politika rehetra, dia aoka isika samy Malagasy hifanaja, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.