Politique

Fiatrehana ny fifidianana Mila olom-pirenena tompon’andraikitra


  • Zoma 01 Desambra 2017

Lalana tsy azo ihodivirana eto amin’ny firenena ny fanatanterahana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018 ho avy io. Efa miomana fatratra amin’izany sahady ny fikambanana HOPE, na Hetsika Olom-Pirenena Entanina, amin’izao fotoana izao.

Fikambanana tsotra tsy manao pôlitika izy ity, raha tsiahivina, saingy mikendry kosa ny hahasoa sy hahatsara ny mpiara-belona aminy, araka ny fanazavan-dRatsiharovala Lila, sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny fikambanana. Nisy ny famelabelaran-kevitra notanterahin’ny fikambanana teny amin’ny American Center Tanjombato, omaly folakandro. Voaresaka tao ny zo aman’andraikitry ny olom-pirenena amin’ny vanim-potoan’ny fifidianana, ny tetiandrom-pifidianana, ny famatsiambolan’ny antoko politika ary ny fifandraisan’ny olom-pirenena sy ireo kandida. Samy nahaliana ireo fanazavana nentin’ny solontenan’ny CENI sy ny KMF/Cnoe ary ny tale jeneralin’ny SAMIFIN. Anisan’ireo nanao famelabelaran-kevitra ihany koa amin’ny maha olom-pirenena tsotra azy i Tahina Razafinjoelina, avy amin’ny antoko Tia Tanindrazana. Ny tanjona dia ny mba hahafahana manangona ireo karazana olana na ahiahy mety mahazo ny  olom-pirenena  tsirairay avy amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Olom-pirenena marobe tokoa no tonga nanohana ny antso tamin’izany, notronin’ireo tanora mpianatra avy amin’ny sekoly ambony maro isan-tsokajiny. Haravona hanjary ho fehin-kevitra ny vokatra azo amin’ity atrikasa ity, izay tsy hijanona eo fotsiny  ny fahazoana azy fa entina eny anivon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary hitadiavana vahaolana. Ankoatra ny fifidianana moa dia mivelatra amin’ny sehatra rehetra ny fikambanana HOPE  ary mikendry ny hampandraisana andraikitra ny olom-pirenena rehetra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT