Politique

Fiatrehana ny fifidianana Mifandamina ny mpanao politika


  • Zoma 03 Novambra 2017

Samy mametraka ahiahy sy tsy mahatoky ny lalàna mifehy ny fifidianana ireo vondrona politika maro, izay nampitovy tadin-dokanga sy nanao fanambarana niraisana ny herinandro teo, ary nitohy teny amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina omaly.

  Ny zavatra tadiavina eto Madagasikara dia ny hisian’ny firaisankina sy fifidianana mangarahara sy hahafahan’ny rehetra mandray anjara. Efa manomboka mivondrona sy mifanakalo hevitra ny mpanao politika sy ny firaisamonim-pirenena. Efa naka hevitra tamin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, toy ny PNUD sy ny Vondrona Eoropeanina. Manaiky ny hanohana ny Masoivoho Frantsay sy ny Vondrona Eoropenina, hoy i Marc Ravalomanana. Nankasitraka ny hetsika ny Vondrona Eoropeanina, ary nandrisika ny haha azo antoka ny zavatra hatao satria rehefa mivory sy mifanakalo hevitra eto Madagasikara dia rava ho azy, hoy ny tatitra nataon’i Marc Ravalomanana. Eo ihany koa ny mba hisian’ny fandraisan’anjaran’ny rehetra, ary atao an-tsoratra ny zavatra hifanarahana. Tsara raha mangataka ny mpanao politika sy ny firaisamonim-pirenena hoe: aleo ny PNUD hitarika ny fifidianana eo amin’ny toeran’ny CENI sy ny Vondrona Iraisam-pirenena satria misy olona mitady hitarika izy io. Eo ny PNUD ary hiresaka amin’ny vondrona ACP any Allemagne ihany koa aho, hoy hatrany izy. Matanjaka io vovonana iraisan’ny mpanao politika sy ny firaisamonim-pirenena io ary mandrisika mafy ny hiantsoana ny avy amin’ny fitondrana sy ny HVM ihany koa ny mpiara-miombon’antoka satria izy ireo mila resahina mba hisian’ny fifanarahana eo amin’ny samy kandida. Tanjona ny tsy hisian’ny korontana toy ny any Kenya. Somary nihafahafa tamin’ny fikaonan-doha tao amin’ny Hotely Carlton ny Vondrona Eoropeanina, ary sahy nilaza mihitsy hoe tsy mahavoa ilay manampahaizana momba ny fifidianana. Ny tadiavintsika dia matotra ny manao azy io satria tsy ho an’ny kandida iray fa ho an’ny rehetra no antony hanaovana izany mba hankatoavin’ny rehetra ny lalàna sy zavatra hifanarahana, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Mila hatao haingana ihany koa satria efa mitady havadika ho lalàna ilay resaka mbola tsy niaraharan’ny rehetra nanapaka.  


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT