Nanatanteraka loabary an-dasy tetsy amin’ny ivontoerana American Center Tanjombato indray, omaly ny fikambanana Hetsika Olom-Pirenena Entanina (HOPE). Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fampahafantarana ny olom-pirenena tsy ankanavaka ny adidy miandry azy ireny mialoha ny hiatrehana ny fifidianana ho filoham-pirenena izay hotontosaina amin’ity taona 2018 ity, tsy nandoavam-bola fa maimaimpoana.
Anisan’ny nampahafantarina azy ireo ny fanatonana ny biraom-pokontany hanamarinana ny anarana na voasoratra anaty lisi-pifidianana na tsia, ny fanentanana ny manodidina mba hanatonana biraom-pokontany ihany koa. Vao miandoha ny taona dia efa tokony hatao izany, hoy Ratsiharovala Lila, sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny fikambanana. Anisan’ny tanjona kendrena ny tsy hahavery zo ny tsirairay avy sady hahatonga azy ireny ho tompon’andraikitra feno koa manoloana ny adidy tsy maintsy efaina eto amin’ny firenena. Tsiahivina moa fa efa nisy ny loabary an-dasy notanterahin’ny fikambanana ny 30 novambra taona 2017 lasa teo. Anisan’ny nampahafantariny ny olom-pirenena ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra, ny mari-bola tokony hampiasain’ireo kandida mpifaninana. Hisy ato ho ato ny fifaninanana hampanaoviny ireo tanora mpikirakira ny lafiny informatika mikasika ny famokarana logiciel mifandraika amin’izany, ahitana ireo tsara ho fantatra rehetra momba ny fifidianana. “Hackathon” no anarana hampitondraina ny hetsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.