Fiatrehana ny fifidianana

> Betsaka sahady ireo kandida mandika lalŕna


  • Zoma 13 Septambra 2013

Betsaka sahady ireo kandida mandika lalŕna amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, araka ny fanazavan-dRakotonarivo Thierry, Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Atitany.

Anisan’ny tena ahitana taratra izany ny eto an-drenivohitra amin’ny famoriana olona etsy sy eroa no sady mampanantena ny hanome “kit-scolaire” ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Ireny kandida ho filoham-pirenena ireny anefa no tokony ho filamatra haneho fahendrena amin’ny vahoaka, hoy Rakotonarivo Thierry. Nambaran’ity farany  koa fa betsaka amin’ireo kandida no mampiasa tomponandraiki-panjakana any amin’ny faritra mba hahazoana vahoaka nefa tena voarara izany. Mikasika ny fanatanterahana ny fifidianana indray dia notsindrian-dRakotonarivo Thierry fa betsaka ireo tsy mbola mahalala ny datin’io 25 oktobra hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany io. Ny zava-misy aza dia ireo kandida miisa telo nailiky ny CES dia Atoa Didier Ratsiraka, Rtoa Lalao Ravalomanana ary Andry Rajoelina no fantatry ny olona fa tsy ireo miisa 33 izay handray anjara mivantana amin’izany. Nambarany koa fa betsaka ny ezaka tokony hatao mba hampirindra tsara izany fifidianana izany. Mbola maherin’ny dimy hetsy any ireo Malagasy tonga taona nefa tsy manana kara-panondrom-pirenena sy ireo very kara-panondro noho ny voina nahazo azy ireo.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT