Politique

Fiatrehana fifidianana Mila fanabeazana ara-politika ny Malagasy


  • Alarobia 23 Janoary 2019

Zava-dehibe eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny fanabeazana ara politika mba ahafahana mamolavola tanora tompon’andraikitra.

 

 

 

Ny fanabeazana ara-politika dia tsy maintsy aparitaka mba ahafahana mampandray andraikitra ny olom-pirenena, eo amin'ny lafiny fampandrosoana. Mila atao mafimafy ny fanabeazana ara-politika eto Madagasikara ka tompon’andraikitra amin’izany voalohany ireo antoko sy fikambanana politika an-jatony misy eto amintsika. Tokony hataon’izy ireny ny mampafantatra ny adidiny sy andraikiny, ary indrindra ny fanabeazana ara-politika fa tsy rehefa tonga foana ny fifidianana vao mifampitsikera. Afaka dimy taona indray ny fifidianana filoham-pirenena manaraka, ka  mila omanina dieny izao ny mpikambana any anatin’ireny antoko politika isan-karazany ireny  sy ny olon-tsotra ihany koa, mba ho vonona ny handrotsaka ny safidiny ao anaty fahalalana sy fahalalahana tanteraka.  Fa ny akaiky indrindra izao aloha dia afaka volana vitsivitsy isika no hifidy solombavambahoaka. Araka izany, dieny izao dia efa tsy tokony hitsahatra manentana ny olom-pirenena ny antoko politika isan-karazany, ny amin'ny tena atao hoe : demokrasia sy ny atao hoe : politika ary ny asan'ny solombavambahoaka. Raha te hiaraka hiaina sy handray an-tanana ny hoavintsika isika dia tokony hiaraka mandinika ireo fanontaniana ireo fa tsy tokony ho ny olom-bitsy ihany no hahatsiaro voakasika. Ny hoavin'ny taranaka faramandimby mantsy no tsinjovina, ka tokony samy handray andraikitra ny olom-pirenena rehetra, na anaty antoko politika izy na olon-tsotra, fa mahatsapa tena kosa ho manana adidy amin’ny firenena.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT