Somary nangina ny tenako tao anatin’ny 2 na 3 volana teo satria nanaraka ny fizotran’ny raharaham-
pirenena, hoy ny mpanao gazety sady mpamakafaka raharaham-pirenena, Fernand Cello, i
zay
kandida ho ben’ny Tanana tao Ilakaka ihany koa. Isan’ireo vaovao nanaitra ny maro ny nandre fa
hatao eny Ambotrimanjaka ny tetikasa Tanamasoandro . Toerana misy fambolena ary
tanindrazan’olona anefa, hoy hatrany ny fanehoan-keviny. Isan’ireo nitabataba ary nanampy ny
mponina tao Soamahamanina ireo olon’ny fitondrana ao an-dapa ankehitriny sy ireo Mpanao gazety
nivondrona tao anatin’ny MLE (Mouvement pour la liberté d’ex
ary firy tamin’izy ireo no niresaka ny zava nitranga teny Ambotrimanjaka, hoy ny fanontaniany.
Rehefa tahaka ny inona no mijoro ny fikambanana mpanao gazety miaro ny tonotolo iainana na
tanindrazana iombonana ? Misy amin’ireo mpanao gazety namana ireo lasa Minisitra
,Solombavambahoaka Ankehitriny,saingy toa mifanohitra tanteraka amin’ny ady nataony 3 taona
lasa ny fihetsika asehony rehefa ao anaty fitondrana izy? Tsy mba heno nandritran’ny
fampielezankevitry ny filoha ankehitriny ny hoe hisy izany tetikasa Tanamasoandro izany eny
Ambohitrimanjaka. Nanenjika mafy ny Fitondrana teo aloha izao fitondrana izao tamin’ireny
raharaha nitranga tao Soamahanina ireny saingy Ankehitriny rehefa nahazo fahefana ka mitantana ny
firenena dia tanindrazan’olona misy tanimbary no alainy. Tsy mety ny fikasan’ny fitondrana haka
tanin’olona eny Ambotrimanjaka ary tsy mahay maka lesona ny amin’ny ireo zava nitranga teto
amin’ny FIrenena, hoy hatrany i Fernand Cello.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.