Politique

Fiarovana ny harena voajanahary Tena sahy tokoa ve ny filoha ?


  • Alarobia 02 Martsa 2016

Nanambara ho ren-tany sy ren-danitra ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampanina omaly teny amin’ny lapan’Iavoloha fa tsy hijanona fa hitohy hatrany ny ady atao amin’ireo mpijirika ny harena voajanaharin’ny malagasy ary hampiharina amin’izy ireo ny lalàna na iza na iza.

 

 Nandritra ny valandresaka  niarahany tamin’ny filohan’ny Vondron’i Kaomoro dia nanambara ny fahavononany hiaraka hiaro ny fari-dranomasin’ny Malagasy sy ny harena ao aminy miaraka amin’ireo firenen-kafa aty amin’ny ranomasimbe Indiana ihany koa ny filoha malagasy. Mahavelom-bolo ny mandre izany  teny feno fampanantenana rehetra izany ary dia andrasana izay mety ho fihetsiky ny  mpanao fanadihadiana voakasika.  Raha tsy hiteny  afa tsy ny  andramena mantsy dia nanizingizina ny  praiminisitra teo aloha fa  fantatry ny minisitra ankehitriny avokoa  ireo olona ao anatin’ny lisitry ny mpanondrana an-tsokosoko  ity hazo sarobidy ity. Momba ny raharaha vatosoa Anjozorobe ihany koa  dia ny  zanaky ny filoham-pirenena mihitsy no voatonontonona an-gazety. Ka hatraiza no tena fahasahiana  hikatsaka ny marina mba tsy ho lasan-ko vavany toy ny haron-tabebaka fotsiny ?


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT