Politique

Fiarovana ireo trozona Mirotsaka an-tsehatra ny orinasa STAR


  • Sabotsy 04 Jona 2016

Mandray anjara feno amin’ny fiarovana ny trozona eo Madagasikara ny orinasa Star.

 

Manaporofo izany ny naneken’ity orinasa iray ity hanohana ilay “Festival des baleines andiany faharoa” hotanterahina any Nosy Boraha ny 02 ka hatramin’ny 10 jolay ho avy izao. Vokatry ny ezaky ny fikambanana CETAMADA sy ny ofisim-paritry ny fizahantany any Sainte Marie no angady nananana sy vy nahitana izany hahafahana manentana ny mponina sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany any amin’iny faritra iny amin’ny alalan’ny fisian’ireo trozona any an-toerana hampiakarana ny toekarem-pirenena. Hetsika maro samihafa no handravaka ny fotoana mandritra io sivy andro io. Anisan’izany ny fanentanana maro isan-tsokajiny, ny hazakazaka am-bisikileta, ny varotra fampirantiana, ny fandehanana mijery ny ora fivoahan’ny trozona. Nanavao ny fanohanany sy ny fandraisany anjara indray amin’ny fiarovana ireo zava-manan’aina sy harem-pirenena eto amintsika ny orinasa Star, indrindra fa ho an’ny distrikan’i Sainte Marie manokana izay hampiantrano. Tsiahivina moa fa i Julien Lepers no ray mpiahy ity Festival des baleines andiany faharoa ity.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT