Nandiso ny vaovao niely tamin’ny tambajotran-tserasera sy an-gazety tato ho ato milaza fa nividy fiaramanidina manokana ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina, ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Ramanantsoa Ramarcel Rabenjamina.
Niara-dia tamin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta tany Ambanja izy omaly, ka nanararaotra ny fandraisany fitenenana nitondrana fanazavana mikasika io vaovao anisan’ny nitana ny sain’ny maro io. Fafy lainga sy tsaho aelin’ireo zatra manitsakitsaka lalàna sy tan-dalàna izany, hoy hatrany ny minisitra nanohy. Fanjakana tan-dalàna ary ny hanasoa ny vahoaka Malagasy no vaindohan-draharahan’izao fitondrana izao, hoy Ramanantsoa Ramarcel Rabenjamina. Hatreto dia mangina tsy ahenoam-peo mikasika io resaka fiaramanidina manokana, voalaza fa novidiany io, ny filoha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.