Mikasa ny hanokatra fanadihadiana parlemantera mahakasika ilay fiaramanidina Falcon 900 EX izay voalaza fa an’ny filoham-pirenena ny Solombavambahoaka eny Tsimbazaza.
Mba ho fanajana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny volam-panjakana, hoy ny Solombavambahoaka no antony angatahana izany fanokafana ny fanadihadiana izany. Tsy voasoratra n’aiza n’aiza tokoa mantsy ny sora-bola nividianana io fiaramanidina io sady ny minisitry ny Vola rahateo dia efa nanambara fa tsy vola avy ao aminy no nividinana io fiara io. Raha vola avy ao amin’ny fiadidian’ny Repobilika, dia tokony hambara mazava, hoy ireo Solombavambahoaka satria mbola volam-bahoaka ihany izany ka tokony ho nanaovana teny ierana ny fampiasana azy, indrindra manoloana izao fahasahiranana diavin’ny firenena izao ary raha nampidramin’olona na nataon’olona fanomezana dia iza izy io ary inona no takalony ? Izany fanontaniana rehetra izany no mifamahofaho ao an-tsain’ireo Solombavambahoaka te hitady ny marina momba ity fiaramanidina ampiasan’ny filoham-pirenena ity.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.