Politique

Fiarahana kandida sy ny filoham-pirenena Vato mandondona an-dRajoelina


  • Alakamisy 28 Martsa 2019

Miteraka resabe amin’izao ny fisiana vondrona politika mandrotsaka kandida ho depiote mampiasa ny anaran’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ao anatin’ilay vondrona entina hampandaniana ny kandidan’izy ireo.

 

Araka ny hevitry ny mpahay lalàna, Willy Razafinjatovo na Olala, dia mazava ny voalazan’ny lalàna fa tsy azon’ny filoham-pirenena atao izany ary efa nanamafy izy fa filohan’ny Malagasy rehetra. Jeren’ny HCC fotsiny moa ilay izy, hoy izy, ary minia mandika lalàna angamba ny HCC. Izy ireo rahateo koa moa, hoy ity mpahay lalàna ity, no tompon’ny fanapahan-kevitra farany ka na holazainy fa mainty aza ny fotsy dia izay izany no izy ary mirary antsika hazoto homana, hoy hatrany i Olala. Gaga kosa ny kandida ao amin’ny boriborintany faharoa, Jean Navandahy Ratiharison, raha nanambara fa ny CENI mihitsy no efa nilaza fa tsy azon’ny filoham-pirenena no mandika io andininy faha-49 momba ny lalàna mikasika ny fifidianana io. Efa nilaza ny filoham-pirenena fa filohan’ny Malagasy rehetra, hoy izy. Izahay koa raha tsy misy fepetra horaisin’ny manampahefana manoloana izao dia mba hampiasa ny sary sy anaran’ny filoham-pirenena ao anaty bileta anay koa. Mba eritrereto anie no mba endri-pifidianana hisy eto raha izany no mitranga e ? Ary ny hoavin’ny politika eto Madagasikara koa izany hanao ahoana ? Azo lazaina ho vato mandondona ho an-dRajoelina ihany ity resaka ity raha tsy mitandrina izy.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT