Politique

Fiarahana anaty vovonana politika Tena mbola tsy zakan’ny Malagasy


  • Alakamisy 14 Martsa 2019

Fomba fiady hamondronan-kery hahafaha-mibata fandresena amina hetsika iray atao ny fananganana vovonana na « Palateforme ».

Amin’ny lafiny iray dia endriky ny fiombonana sy ny firaisan-kiana io hahafaha-manatratra tanjona goavana anankiray na maromaro iraisana. Tsapa anefa amin’izao firosoantsika amin’ny fifidianana solombavambahoaka izao, fa toa tsy tena mbola zakan’ny Malagasy ny resaka vovonana. Mampiady ny mitovy firehana satria toa samy te hitondra ny loko sy ny fanevan’ilay vovonana na ny antoko lehibe ao anatiny ny mpikatroka maro, ka zary teraka ny fifandirana. Tsy mitovy rahateo ny fitsipi-pifehezan’ny antoko tsirairay na ny « discipline de parti» ao anatin’ny vovonana hany ka mety hisy ny fifanoheran’ny fomba fijery, mitarika fisarahana raha tsy voalamina sy voarindra. Lasa lamaody avy eo ny firotsahana amin’ny anaran’ny tena manokana rehefa tsy tafiditra ho kandidan’ny vovonana na ny antoko lehibe, ohatra, ary hita mibaribary izany amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny fotoana voafetra amin’ny alalan’ny fametrahana tanjona lehibe hiara-manatratra araka izany no tena mety hampahomby ny resaka vovonana, toy ny hoe : hanongana, hitaky, hanozongozona fitondrana,… Misy ny mety ho fitoviam-pijery mifantoka amina tanjona iray lehibe, saingy mety samy hanana ny fahafaham-pony sy ny fiheverany ho fahatrarana ny tanjona ny vondrona na antoko tsirairay, ka eny antenantenany aza dia mety hisy ny fisarahan-dia. Isan’ny nahitana izany ny tolon’ny fanovana nanakambanan’ny depiote 73 ny heriny, izay nisy ny antoko vao nahazo minisitera dia efa afa-po sy nihevitra fa vita ilay tolon’ny fanovana, ary nisy ny mbola nitaky mivantana na an-kolaka izany mandrak’androany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT