Niova ny tantana. Manomboka manangana efitra mba tsy hahita ny zava-misy marina iainan’ny mpiara-belona ny mpitondra. Ireto farany izay fatra-pitaky porofo, amin’ny maha profesionely azy, amin’ny zavatra ambara na taterina aminy.
Amin’ny fomba ahoana tokoa moa no hahitany na hinoan’ny mpitondra na hitondra porofo zato amby arivo aminy eo aza. Manao tazan-davitra tsy mivoaka lapa na birao, raha mba mivoaka indray mihidy anaty fiara fitaratra mainty tsy ahita-mitsinjo, no tsy mandre fofona. Mba mahavaky fo ihany mantsy ny tsy ahasahian’ny mpitondra mizotra an-tongotra eny Manarintsoa Isotry, mbola eto Antananarivo io, fa tsy maintsy itondrana fiara tsy laitram-bala, mihidy fitaratra miloko mainty, amin’izay mbola arovana fatratra amin’ny basy mahery vaika. Entin’ny tahotra sa tsy te hihosina ? Ahoana moa no ahatsapan’ny mpitondra ny tena fahoriana iainan’ny mponina eny ambanin’ny tanàna sy any ambany ravinkazo rehetra any, raha sasatry ny manangana efitra toy izany, ankoatra ireo manangan’ady tsotra izao amin’izay tsy mitovy hevitra aminy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.